Manana harena ianao!

PEJY FANDRAISANA | Miracles | Manana harena ianao!

Inona no loharano lehibe indrindra amin’ny fankasitrahanao?
Azoko antoka fa manana antony betsaka ianao, ary nahatsiaro maro tamin’izany nandritra ny fanazaran-tena niarahana nanao omaly, tamin’ny faran’ny hafatra.
Ny antony iray dia mihoatra noho ny hafa rehetra, izay fanomezana tsara indrindra misy : ny fanomezam-pahasoavan’ny famonjena.
Tadidinao ve ny fotoana nanoloranao ny fiainanao ho an’i Jesosy? Ilay fotoana izay nandraisanao azy tao am-ponao? Tadidinao ve ny zavatra tsapanao nandritra ny andro vitsivitsy taorian’izay?
Efa nahita ny harena lehibe indrindra ianao. Ary tsy maintsy ho nikoriana avy tao am-ponao ny fifaliana rehefa nandray ny famelan-keloka, ny fiadanana ary ny fiainam-baovao izay niandry anao teo anatrehan’Andriamanitra ianao.
Indraindray, rehefa manafika antsika ny ady isan’andro, dia adinontsika fa manana harena mahagaga isika.
Izany no mahatonga ny Baiboly mampahatsiahy antsika hoe: ” Koa satria mandray fanjakana tsy azo ampihorohoroina isika, dia aoka isika hanana fahasoavana ho entitsika manao izay fanompoana sitrak’Andriamanitra amin’ny fanajana sy ny fahatahorana” (Hebreo 12:28,).
Ry namako, nahazo ny fanomezana tsara indrindra ianao! Eny, mamelà an’Andriamanitra androany hanondraka fankasitrahana ho Azy ao am-ponao. Ary avelao izany fankasitrahana izany hitarika anao hanompo Azy ary hampifaly Azy amin’ny toe-javatra rehetra.
Ary raha mbola mahatsapa fisalasalana ianao ao anatinao momba ny famonjena anao na momba ny fandovanao ny lanitra, dia mamporisika anao aho mba hanokana fotoana kely hiresahana amin’Andriamanitra dieny izao mba hangataka Azy hanome anao izany fanomezana izany.
Manasa anao aho hivavaka miaraka amiko amin’ny fonao manontolo: “Tompo ô, misaotra anao aho nanome ny Zanakao Lahitokana mba hohomboana amin’ny hazo fijaliana teo amin’ny toerako. Misaotra anao mitia ahy sy mamela ahy hihavana aminao.
Jesosy ô, mandray anao aho androany ho Tompo sy Mpamonjiko manokana. Maty Ianao ary nandresy ny fahafatesana mba hanome ahy ny fiainana mandrakizay. Misaotra Jesosy. Ambarako fa zanak’Andriamanitra aho. Amen »

0aa5074f-signature-eric_06u01s06u01s000000

Maniry ny hanova ny fiainanao Andriamanitra

Mandraisa fampaherezana isan'andro!



*Ny fisoratanao anarana dia hanaikenao ny fepetra sy fifanajana ary ny fanambarana tsiambaratelo.

Fahagagana ny fisianao!