Maraina mamanala….
Fantatrao ve fa ny olona mahay mankasitraka dia olona sambatra indrindra?
Izaho manokana dia olona tia ny andro fahavaratra: tiako ny masoandro, ny hafanana ary ny filentehan’ny masoandro amin’ny takarivan’ny fahavaratra. Fa tsy tiako ny andro avy orana sns.
Talohan’ny nihaonako tamin’Andriamanitra dia nahakivy ahy ny andro manorana. Kanefa, ankehitriny, dia lasa fotoana vaovao hanehoako fankasitrahana an’Andriamanitra izany.
Volana vitsivitsy lasa izay, andro maraina manorana tamin’izay, dia nanoratra izao tao amin’ny diariko aho: “Misaotra Tompo ô, tamin’ity maraina manorana ity! Misaotra anao noho ny tranonay, izay ahafahanay mialoka; Misaotra Anao fa androany aho tsy mila mivoaka; Misaotra anao namela ahy handray soa avy amin’ireto loko mahafinaritra; Misaotra anao noho ny fitiavanao, ary noho ny tombontsoa hiaina andro vaovao miaraka Aminao. ”…
Mahita fifaliana sarobidy toy izany isika rehefa mahatsapa izay ananantsika, ary mankasitraka izany. Efa mba nidera Azy ve ianao, rehefa mieritreritra izay nomen’Andriamanitra anao?
Jereo ity andinin-teny ao amin’ny Baiboly ity: “Fa aoka hofenoina ny Fanahy, ka mifampilazà amin’ny salamo sy ny fihirana ary ny tonon-kiram-panahy, dia mihira sy mikalo ao am-ponareo ho an’ny Tompo, misaotra an’Andriamanitra Ray mandrakariva noho ny zavatra rehetra, amin’ny anaran’i Jesosy Kristy Tompontsika.” ( Efesiana 5:18-20).
Izao no fanasan’Andriamanitra ho anao anio:
- Avelao ny Fanahy Masina hameno anao.
- Mihirà amin’ny fifaliana.
- Miderà an’i Jehovah amin’ny fonao rehetra.
- Misaora an’Andriamanitra mandrakariva amin’ny zavatra rehetra.
Ry namako, mendrika hankasitrahana sy hoderaina mandrakariva Andriamanitra! Te hanasa anao hanao zavatra aho: makà minitra vitsivitsy hieritreretana ny zavatra rehetra anananao amin’izao fotoana izao. Atombohy amin’ny zavatra lehibe, ary eritrereto hatramin’ny kely indrindra, ary avy eo, ny antsipiriany kely amin’ny fiainana andavanandro, ireo zavatra tsy eritreretinao foana nefa tena sarobidy.
Avy eo, eritrereto ny zavatra rehetra nataon’Andriamanitra teo amin’ny fiainanao. Manomboka mahatsapa fifaliana mameno ny fanahinao ve ianao rehefa mahatsiaro izany rehetra izany? Manomboha misaotra an’Andriamanitra amin’ireo zavatra tsirairay ireo, ao anatin’izany dia midera Azy amin’ny fonao rehetra ary asehoy ny fitiavanao Azy.
Fiadanana!