Amin’ny rehetra sy ny zava-drehetra!
Alaivo sary an-tsaina hoe hanao ahoana ny fiainanao raha toa ka izay rehetra ataonao dia ataonao ho an’ Andriamanitra.
Mino aho fa efa namaky ity tenin’Andriamanitra ity ianao: “Ary na inona na inona ataonareo, na amin’ny teny, na amin’ny asa, dia ataovy amin’ny anaran’i Jesosy Tompo izany rehetra izany, ka misaora an’Andriamanitra Ray amin’ny alalany.” (Kolosiana 3:17)
Misy andian-teny mamerimberina tokoa hoe: “ary na inona na inona ataonareo, dia ataovy amin’ny fo, tahaka ny ho an’ny Tompo, fa tsy ho an’olona” (Kolosiana 3:23)
Andeha hojerentsika ny dikan’ireo andian-teny ireo:
Ny zavatra rehetra ataonao: Ny zava-drehetra lazainao, ny fotoana hiasanao na ny fotoana hialanao sasatra, ianao rehefa mifoha na mivoaka mandehandeha miaraka amin’ny namana… Tena hoe ny zava-drehetra!
Ataovy toy ny ho an’Andriamanitra izany: ataovy miaraka Aminy izany, mikatsaka ny hampifaly Azy na dia amin’ny antsipiriany madinika indrindra aza.
Ary misaora Azy: Rehefa manao ny zava-drehetra ho an’Andriamanitra ianao, dia mora aminao ny mahatsapa ny zavatra tanterahiny eo amin’ny fiainanao.Dia mipoitra avy ao am-ponao ny fankasitrahana lalina Azy.
Azonao sary an-tsaina ve fa mety ho hafa tanteraka ny fiainanao raha toa ka izay rehetra nataonao dia nataonao ho an’Andriamanitra?
Nitombo be ny fifandraisanao Aminy ary mihalalina ka tsy afaka ny hitsahatra ny hisaotra Azy amin’ny antsipiriany rehetra ianao. Toy ny efa miaina any an-danitra ianao!
Ry namako, misaora an’Andriamanitra amin’ny zavatra rehetra! Ny fankasitrahana tsy tapaka an’Andriamanitra dia mamela anao hiaina tanteraka.
Zarao aminay ny fijoroana vavolombelona anananao satria amin’ny fanaovana izany dia misaotra ny Tompo ianao ary manetsika ny fitahiana ho an’ny hafa.
Aza adino fa afaka mandray ny hafatra isan’andro ao anaty boaty mailaka ianao. Azonao atao koa ny mizara ny rohy: http://mg.jesus.net amin’ny namanao sy ny akaiky anao mba hahafahan’izy ireo mandray fitahiana koa..