Velom-pankasitrahana

PEJY FANDRAISANA | Miracles | Velom-pankasitrahana

Olona mahay mankasitraka ve ianao araka ny eritreritrao?
Indray andro, naheno olona nilaza aho fa mendrika ny mihaona amin’ny olona 100 tsy mahay mankasitraka, raha izay no ahafahana mihaona amin’olona iray tena mahay fankasitrahana.
He izany fehezanteny tena manan-danja! Mamelombelona tokoa ny mahita olona malala-tanana amin’ny hafa, sy mankasitraka ny zavatra kely indrindra…
Ry namako, noforonin’Andriamanitra mba ho feno fankasitrahana isika. Izany no maha-zanak’Andriamanitra antsika amin’ny endrika vaovao.
Raha ny marina, feno fifaliana sy fahafaham – po tsy manam – paharoa isika rehefa velom – pankasitrahana an’Andriamanitra sy ny olona manodidina antsika.
Efa niainanao ve ny hatsaran’ny fananana fankasitrahana ?
Ny fankasitrahana dia iray amin’ireo toetra sarobidy indrindra azontsika kolokoloina eo amin’ny fiainantsika. Izany no mahatonga ny Tompo ao amin’ny soratra masina hamporisika antsika imbetsaka amin’ny fitenenana hoe : “Ary aoka ho feno fisaorana ianareo” (Kolosiana 3:15,).
Maneho ny toetran’Andriamanitra ny fankasitrahana, ary loharanom-pitahiana ho an’ny fiainantsika koa izany.
Hoy ny ohabolana Malagasy iray : “Raha misy manome zavatra ho anao, kingà miteny hoe misaotra Tompoko ô”
Mankasitraka an’Andriamanitra aho noho ny fiainanao. Ary ianao inona no ankasitrahanao Azy?

0aa5074f-signature-eric_06u01s06u01s000000

Maniry ny hanova ny fiainanao Andriamanitra

Mandraisa fampaherezana isan'andro!



*Ny fisoratanao anarana dia hanaikenao ny fepetra sy fifanajana ary ny fanambarana tsiambaratelo.

Fahagagana ny fisianao!