Mitovy amin’Andriamanitra ianao….
Tsy haiko raha manan-janaka ianao fa mino aho fa tamin’izay rehetra nomen’Andriamanitra antsika dia ny zanaka no fanomezana sarobidy sy tsara indrindra.
Rehefa mandeha eny an-dalana aho dia tiako ny manokana fotoana mandinika ireo olona mifanena amiko. Isaky ny mahita mpivady miaraka amin’ny zanany kely aho dia mahafinaritra ahy ny mitady ny fitoviana eo amin’ny endrik’izy ireo.
Ary tsy mbola nandiso ahy mihitsy izany fa tsy maintsy mahita fitoviana foana aho! Indraindray eo amin’ny fomba fijery, na ny fitsikin’izy ireo na eny amin’ny faritra sasany amin’ny vatana… Eny, tsy maintsy hitako taratra eny amin’ireo zaza foana ny endrik’ireo ray aman-dreniny. Tena mahagaga ilay fomba famoronan’Andriamanitra amin’ny antsipiriany!
Tamin’ny voalohany Andriamanitra dia nanao hoe: “Andeha Isika hamorona olona tahaka ny endritsika, araka ny tarehintsika” (Genesisy1:26).
Tian’Andriamanitra hita taratra eny amintsika ny tenany tamin’Izy namorona antsika.
Ry namako, mety mahatsiaro reraka noho ny fahasarotan’ny fiainana sy ny tsy fahombiazanao ianao, hany ka lasa tsy matoky tena intsony. Fa amin’ity anio ity dia te-hampahery sy hampahatsiahy anao aho fa zanak’Andriamanitra ianao, ary tena sarobidy eo imasony sy mitondra ny endriny ianao.
Eny, naka sary an-tsaina anao araka ny endriny Andriamanitra! Noforoniny miaraka amin’ireo toetranao manokana sy ny mampiavaka anao ianao, sady maneho ny endriny ao anatinao mba ho hitan’izao tontolo izao. Tsy mahagaga ve izany?
Androany, hatrakao ny loha! Avelao homba ny lasa ireo tsy fahombiazana tany aloha, ary manomboka izao dia mandehana am-pahatokiana, mba ho hitan’izao tontolo izao amin’ny alalanao ny endrik’Andriamanitra. Aza mampitaha ny tenanao amin’ny hafa, mahaiza mankasitraka ny endrika namoronan’Andriamanitra anao ary indrindra mifalia fa maneho ny endrik’Ilay Andriamanitra Mpahary ianao. Na avy eto Madagasikara ianao, na avy amin’ny fianakaviana mahantra, na mbola mipetraka any ambanivohitra…dia tsarovy fa noforonin’Andriamanitra araky ny endriny ianao.
Meteza ho ilay filazantsara afaka vakian’ny hafa ary ho vavolombelon’ny tenin’Andriamanitra na aiza na aiza misy anao.
Ato am-poko ianao ry namako.