Mbola mitohy foana ny fahagagana!!
Hamarana ny fizarana fijoroana vavolombelona aho fa fantatro fa miasa eo amin’ny fiainanao koa Andriamanitra ry namako. Jereo ny nataony tamin’ireto fianakaviana ireto ary hampatanjaka anao anie izany amin’ny anaran’i Jesosy.
- Nitondra vohoka ny vadiko ary narary mafy; ireo izay nahita azy dia tsy nanantena azy ho tafita tamin’ny fiterahana… Tanaty fahaketrahana tsy misy toy izany aho, saingy indray maraina nanome hery ahy ny “Fahagagana isan’andro” mba hitohy hino sy hametraka fitokiana amin’Andriamanitra. Namerina ireto tenin’I Davida ireto fotsiny aho : “Eny, fahasoavana sy famindram-po no hanaraka ahy amin’ny andro rehetra iainako…Salamo 23.6” ary hoy aho : aoka hanomboka amin’ny tokantranoko izany. Niasa Andriamanitra, niteraka zazavavy kely tsara tarehy ny vadiko, Joviale no anarana nomenay azy. Salama tsara izy mianaka.
- Fanasitranana mivantana nandritra ny fandaharana iray no niantombohan’ny Fahagagana iainako. Nanomboka tamin’io dia fitahiana isan’andro ny fiainako sy ny an’ny zanako. Afaka tamina fanadinana izay efa nandavana ahy in-4 aho. Nametraka fangatahana asa tamin’ny finoana teny rehetra teny aho. Avy eo dia nahazo taratasy avy amin’ny orinasa iray aho nanasa ahy hiresadresaka arak’asa. Natrehiko niaraka tamin’I Kristy ny fanomanana ary tonga tany aho, feno fahatokiana. Tsy fihaonana arak’asa toy ny rehetra izy io satria nampahalalaina ahy ilay orinasa. Taorian’izay dia naharay antso aho nilaza fa voaray hiasa. Ahoana no tsy hihiakam-pifaliana ? Lehibe Andriamanitra ary tsara ny asany.
- Nanjavona ny fahakiviana. Nitombo avo dimy eny ny finoako. Azoko ihany noho ny farany hoe izay mitranga na izay hitranga amin’ny ho avy dia tsy manan-kery noho ilay nametrahako ny fitokiako. Raha tsy nisy nankasitraka mihitsy ny asako nandritra ny telopolo taona dia nahazo ny loka “Docteur Honoris Causa” avy amin’ny Oniversite iray any Amerika aho ankehitriny. Oniversite izay tsy fantatro taloha. Fahagagana avy amin’Andriamanitra.
Andriamanitra dia tsy miova omaly sy anio ary mandrakizay. Hain’Andriamanitra ny zavatra rehetra. Ary raha mino ianao, eny fantatro fa mino ianao… aminao no hitenenan’Andriamanitra androany hoe: “ny zava-drehetra dia hain’ny mino hatao.”
Misaotra mizara aminay ny fijoroana vavolombelona anareo. Misaotra ny amin’ny fanohananareo sy ny fampaherezanareo.
Misaotra eram-po fa misy ianao,
Maniry ny hanova ny fiainanao Andriamanitra
Mandraisa fampaherezana isan'andro!
*Ny fisoratanao anarana dia hanaikenao ny fepetra sy fifanajana ary ny fanambarana tsiambaratelo.