Tsy irery ianao !

PEJY FANDRAISANA | Miracles | Tsy irery ianao !

“Na dia misy antokony mitoby hiady amiko aza, tsy hatahotra ny foko; na dia misy ady mihatra amiko aza, dia hatoky ihany aho.” (Salamo 27.3)
Ny baiboly dia mitantara amintsika ilay andro iray nitokonan’ny tafika Syriana manodidina ny tanana iray tany Israely. Tao amin’ny tanàna ny mpaminany Elisa tamin’izay ary natahotra mafy ny zatovony. Hoy Elisa taminy … “Aza matahotra, fa ny momba antsika dia be noho ny momba azy.” Ary Elisa nivavaka hoe : “ Jehovah o! Ampahirato ny masony mba hahitany. Ary Jehovah nampahiratra ny mason’ilay zatovo; ary dia nahita izy, ka, indro, ny tendrombohitra feno soavaly sy kalesy afo nanodidina an’I Elisa.” (2 Mpanjaka 6,16-17)
Amin’ny fomba ahoana no tsy hananana ahiahy mihitsy rehefa misy tafika mitoby manohitra anao ? Amin’ny alalan’ny fahatakarana fa ny momba anao dia be noho ny manohitra anao. Amin’ny alalan’ny fivavahana mba hanokatra ny masonao Andriamanitra hahitanao fa voadidin’ny fahasoavana sy ny fitiavan’Andriamanitra ianao. Ary na ny anjelin’Andriamanitra aza dia manompo ireo izay handova ny famonjena, izany hoe manompo ho anao ! (Hebreo 1.14)
Aza matahotra ny fonao. Manàna finoana an’Andriamanitra. Matokia tanteraka. Jesosy dia efa niteny hoe :” Ary raha mandre ady sy filazana ady ianareo, dia aza matahotra; tsy maintsy hisy izany, nefa tsy mbola tonga ny farany.” (Marka 13.7)
Aza matahotra ry namako, “ny momba anao dia be noho ny momba azy” : ary tsy miady irery ianao, ny anjelin’Andriamanitra no manodidina anao sy mitoetra amin’ny fanompoana anao.
Mirary tontolo andro fandresena ho anao ry namako.

0aa5074f-signature-eric_06u01s06u01s000000

Maniry ny hanova ny fiainanao Andriamanitra

Mandraisa fampaherezana isan'andro!



*Ny fisoratanao anarana dia hanaikenao ny fepetra sy fifanajana ary ny fanambarana tsiambaratelo.

Fahagagana ny fisianao!