Te hiresaka aminao manokana Andriamanitra
Nisy namako, pasitera iray any Rosia , niteny zavatra iray nanaitra ahy : “ Mila mianatra mijanona kely isika, miandry mba hitenenan’ny Fanahy Masina mazava ao am-pontsika.” Mety mandany fotoana kely izany ; fa rehefa miteny Izy dia mahafapo sy maharitra kokoa ny vokatra . Tsarovy fa rehefa maimaika isika matetika dia diso safidy .”
Aza maimaika ry namako. Makà fotoana manontany an’Andriamanitra, ny Fanahy Masina, ny hevitry ny Fanahy Masina amin’izay kasainao hatao. Mahafantatra ny zavatra ho avy Izy ary fantany izay mahasoa anao. Raha mitady an’Andriamanitra ianao dia ho hitanao Izy ary hamaly anao. (Jereo Jeremia 29.14 sy Salamo 46.10)
Satria tokoa, manoloana ny faktiora tokony aloa, ny fe-potoana tsy maintsy hajaina, ny mety ho lazain’ny fiaraha-monina…dia lasa maikamaika isika amin’ny fandraisana fanapahan-kevitra. Tadidio fa ny fotoanan’Andriamanitra no tsara indrindra. Ary raha miresaka Aminy ianao, dia tena haka fotoana Izy hihainoana tsara anao, hanome anao torolalana sy toromarika mazava amin’izay rehetra tianao hatao.
Raha mihazakazaka izao tontolo izao, noho ny teknolojia dia toa mandeha aingana ny zavatra rehetra, ary mirohatra mitady vahaolana aingana ny olona : valiny eo no eo, vahaolana tonga dia vonona… izay mety mitarika an’ny amin’ny fahaverezana nefa.
Ny Romana 12.2 dia milaza “Ary aza manaraka ny fanaon’izao tontolo izao; fa miovà amin’ny fanavaozana ny saina, hamantaranareo ny sitrapon’Andriamanitra, dia izay tsara sady ankasitrahana no marina.”
Te haka fotoana ve ianao anio, hijanona kely ary hiandry ny Fanahy Masina hiresaka ao anatin’ny fonao ? Aza matahotra, mifehy ny zavatra rehetra Andriamanitra.