Ry namako, inona no andrasanao amin’Andriamanitra?

PEJY FANDRAISANA | Miracles | Ry namako, inona no andrasanao amin’Andriamanitra?

Fa izay atahorako no mahazo ahy, Ary izay hangovitako no manjo ahy. (Joba 3.25), fa izay inoako koa no tonga amiko. (Matio 8.13). Rehefa miandry an’Andriamanitra hiditra an-tsehatra aho, dia fantatro fa ho tonga izany. Tonga amintsika araka izay inoantsika hoy ny Baiboly. (Matio 9.29)

Inona no andrasanao amin’Andriamanitra? Miandry fahagagana ve ianao anio ? Na dia fahagagana kely ihany aza?

Ohatra, rehefa mitady toerana hametrahana fiara aho dia tiako ny mampiasa ny finoana…Fantatro dieny mialoha fa hamaly vavaka ahy amin’izany Andriamanitra. Dia tena miasa tokoa Izy! Indray andro, namonjy fotoana tany Paris izahay, nanontany ahy ilay olona iray niaraka taminay hoe : “Aiza isika no hijanona izao ?” “Aza matahotra, hoy aho taminy, fa efa nanomana Andriamanitra.” Inona tokoa fa nony tonga teo amin’ilay toerana izahay dia nisy fiara niala, namela toerana hijanonanay.

Hoy ilay olona niaraka taminay hoe : “mpitondra taxi ny asako nandritra ny taona maro fa tsy mbola nahita zavatra toy izao aho. Tena fahagagana !” Inona no zavatra nitranga ? Nampidiriko an-tsehatra fotsiny Andriamanitra. Ary satria efa nihanatanjaka ny finoako dia mora tamiko ny nino fa hanome toerana hijanonanay Andriamanitra.

Toy ny hozatra ny finoana. Raha hampiasainao izy dia miha-matanjaka. Fantatsika ilay andinin-tsoratra masina hoe : “Ary mba toy izany koa ny finoana, raha tsy misy asa, dia maty mihitsy.” Jakoba 2.17 Io andinin-tsoratra masina io dia mamporisika antsika mba hampiasa ny finoantsika, na amin’ny zavatra kely na lehibe. Raha manao izany isan’andro isika dia hihatanjaka ny Finoantsika, ary lasa mora amintsika ny hino…sy handray ny valim-bavakitsika.

Aza ferana Andriamanitra. Aza mijery ny manodidina anao, sao hilentika tahaka an’i Petera ianao fa Jesosy ifantohana.

Anio, manomboha mampiditra an-tsehatra an’Andriamanitra amin’ny ataonao rehetra dia ho hitanao fa hiasa tokoa Izy. Izany no varavarana misokatra ho an’ny fahagagana !

0aa5074f-signature-eric_06u01s06u01s000000

Maniry ny hanova ny fiainanao Andriamanitra

Mandraisa fampaherezana isan'andro!



*Ny fisoratanao anarana dia hanaikenao ny fepetra sy fifanajana ary ny fanambarana tsiambaratelo.

Fahagagana ny fisianao!