Ry namako, maninjitra ny tànany Izy ka mandray anao.
Misy an’ity teny ity ao amin’ny baiboly manao hoe: “Iza no malemy ka tsy malemy aho?” (II Korintiana 11:29). Samy efa nandalo fotoanan’ny fahakiviana, fisalasalana, ary faharesena daholo ny olona rehetra. Fa ny tsy mitoetra maharitra amin’izany no tena zava-dehibe. Tsy azo avela ho lasa fomba fiaina izany, ohatran’ireny asa hatomboka tsy mety vita ireny… Azonao ve ny tiako lazaina ?
Nanana izany fisalasalana izany koa ny Apostoly Petera indray andro. Raha nanaiky an’i Jesosy izy hiala tao anaty sambokely ka handeha teo ambony rano (aza andramana azafady), dia nahita ny onja izy, nihaino ny feon’ny rivotra, ary tsy nifantoka nijery an’i Jesosy, izay nandeha koa teo ambonin’ny ranon’ny Galilia. Teo dia nanomboka nilentika izy. Nisy fiantraikany ny fisalasalany…
Manandratra antsika ny finoana. Mampanao antsika zavatra mahatalanjona. Mitondra fandresena ho antsika. Ny fisalasalana kosa tsy mba toy izany.
Soa ihany fa mahafantatra tsara ny toetrantsika Jesosy. Naninjitra ny tanany Izy ary nisambotra azy.(Matio 14:31) Ary nanontany an’i Petera Izy : “Ry kely finoana, nahoana no niahanahana ianao?”
Androany, mandray ny tananao Jesosy. Manasa anao Izy anio mba hatoky Azy. Aza misalasala. Ny vaovao mahafaly dia izao: raha vao niondrana an-tsambokely izy ireo dia nijanona ny rivotra. Hazony amim-pinoana ny tanany dia hisy fahagagana hitranga eo aminao!