Ry namako, azo tanterahina avokoa ny zavatra rehetra.
Rehefa nanolotra ahy boky iray tamin’ireo nosoratany i Père Pedro, (izy dia nanomboka asa tsy takatry ny saina ho an’ny ankizy mahantra eto Madagasikara) dia nasiany soratra hoe : “Ny zavatra rehetra dia hain’ny mino.” (Marka 9.23)
Alaivo sary an-tsaina hoe tanàna iray misy sekoly, kianja fanatanjahan-tena, efitrano goavana, fiangonana…ao amin’ny faritra iray mahantra indrindra eto Madagasikara, eo akaikin’ny fanariam-pako anisan’ny lehibe indrindra eto an-tany, feno ankizy mitsindroka fako mba ho velona.
Teo no nanangonan’io lehilahy io ankizy, na dia narary aza izy (voan’ny malaria sy nanana kantsentsitra 7 izy), sady efa niomana ny hiverina hody any amin’ny taniny any Argentine. Nino izy fa ny zavatra rehetra hain’ny mino atao ary tsy misy tsy hain’Andriamanitra tanterahina.
Nino izy na dia niteny taminy aza ny zavatra rehetra fa tsy misy azo atao: fa marary sy tsy misy hery izy. Nino izy na dia tsy nisy nanohana azy aza ny mpanao politika. Nino izy na dia tsy nanaraka azy aza ny fiangonany. Nino izy fa afaka ho tanteraka ny zavatra rehetra amin’ny Finoana na dia tsy misy azo antenaina intsony aza.
Tsy lavitra ny misy an’i Père Pedro, afaka mandalo mitsidika ny akany ianao, ary ihany koa mahita mivantana ny fahalebiazan’Andriamanitra manoloana ny fetran’ny olombelona. Ary afaka ny ho “père pedro” ao amin’ny ankohonanao, ao amin’ny tanananao, ao amin’ny orinasanao ianao…. Aoka ho ianao ilay fahazavana mamiratra sy manala ny aizina. Mijere ambony lavitra noho izay hitanao, hinoy ilay Andriamanitra mahay ny zavatra rehetra dia.. Mandrosoa. Izay nataony niaraka tamin’ny Père Pedro, dia mbola afaka ataony miaraka aminao raha manaiky ianao ho fitaovana eo an-tanany… Tsy niova Izy, Izy ilay taloha, anio ary mandrakizay.
Ry Namako, satria mino ianao, dia ho hitanao koa fa azo tanterahana avokoa ny zavatra rehetra.