Te hampahomby anao Andriamanitra
“SAMBATRA ny olona Izay tsy mandeha eo amin’ny fisainan’ny ratsy fanahy, Ary tsy mijanona eo amin’ny làlana falehan’ny mpanota, Ary tsy mipetraka eo amin’ny fipetrahan’ny mpaniratsira; Fa ny lalàn’i Jehovah no sitrany; Eny, ny lalàny no saintsaininy andro aman’alina. Dia tahaka ny hazo ambolena eo amoron’ny rano velona izy, Izay mamoa amin’ny fotoany, Ny raviny koa tsy mba malazo; Ary ny asany rehetra dia ataony lavorary avokoa.” (Salamo 1.1-3)
Ary ny asany rehetra dia ataony lavorary avokoa… Na koa hoe…
- Amin’izay rehetra ataony, mahomby izy. (Ostervald) Teny fikasana ho an’ny hoavinao izany. Araho ny torohevitr’Andriamanitra dia hahomby ianao !
- Nahomby izy tamin’izay rehetra nataony. (Parole Vivante)
Betsaka ny zavatra tokony hatao sy hahombiazana. Manaova zavatra, mandrosoa. Te hahita anao hahomby Andriamanitra. Avelao Izy hitarika anao ny amin’ny zavatra tokony hataonao.
- Izay rehetra ataon’io lehilahy io dia mahomby. (Français courant)
Rehefa mihetsika manao zavatra ianao ka miasa dia eo aminao ny tànan’Andriamanitra. Ataony mandeha ny zavatra ataonao.
- Izay rehetra ataony dia mandroso. (Martin)
Misy fitomboana, fivelarana, harena avy any an-danitra. Fikiro izany teny fikasana izany. Ambarao ny Tenin’Andriamanitra amin’ny fiainanao : Izay rehetra ataoko dia hahomby !
Hoy ny Baiboly… “Dia hataon’i Jehovah ho lohany hianao, fa tsy ho rambony; ary ho ambony tokoa hianao, fa tsy ho ambany, raha mihaino ny didin’i Jehovah Andriamanitrao, izay andidiako anao anio, ka mitandrina sy manaraka azy.” (Deoteronomia 28.13)
Izay no fandaharan’Andriamanitra ho anao. Izany koa no fandaharan’Andriamanitra ho an’ny Madagasikara. Ambarantsika amin’ny hiaka mafy fa lohany Madagasikara fa tsy rambony, ary ny vahoaka Malagasy dia hanaiky ny didin’Andriamanitra. Iza no manao Amen miaraka amiko?