Nateraka haneho ny natioran’i Kristy ianao
Rehefa fenomanana dia maneho fampisehoana mahafinaritra be amintsika ny natiora. Tena miavaka ao anatin’ny alina ny volana boribory be.
Mety efa niteny ianao hoe : “Tena tsara tarehy be ny volana androany alina. Mamiratra be !” Raha ny marina, diso izany… Tsy mamiratra izany ny volana. Tsy afaka mamokatra fahazavana avy amin’ny tenany izy. Fa mampita ny fahazavan’ny masoandro fotsiny, izay hany kintana akaikin’ny Tany, afaka mamokatra fahazavana ho an’ny tenany.
Ry namako, tahaka ny volana isika sy ianao. Tsy afaka mamokatra fahazavana irery isika. Ny Baiboly, (Jereo Matio 5.14) miteny mazava fa isika no fahazavan’izao tontolo izao nantsoina hamiratra… nefa mamiratra isika satria miaina ato anatintsika Kristy.
Mamiratra ianao satria maneho ny natiorany. Noho izany, mamiratra ianao rehefa manao zavatra am-pitiavana, rehefa mamela heloka, rehefa manetry tena tsy an-tery… Izany fahazavana izany no tena izy satria avy amin’ilay Loharano : Jesosy.
Manasa anao aho handinika ireto teny ireto :
- Fahazavana ianao satria Izy fahazavana talohanao.
- Tia ianao satria Izy tia anao alohan’ny zavatra rehetra.
- Velona ianao satria nofoanany ny fahafatesany tamin’ny nandreseny azy.
Noho izany, izay rehetra maha-ianao anao dia tandindona sy fanehoana ny maha-Andriamanitra Azy miasa ao aminao.