Ny fihetsikao no hampidina ny lanitra ety ambonin’ny tany
Ny Tenin’Andriamanitra milaza fa ny fiainana sy ny fahafatesana dia eo amin’ny fahefan’ny lela ary marina izany… Inoako mihitsy fa ao ambadiky ny teny, ny fihetsika koa dia afaka mitondra fiainana na fahafatesana ho an’ny manodidina antsika.
Noho izany, ny olona dia afaka mandratra amin’ny fijery, mamono amin’ny teny, mandevina amin’ny fahanginana. Ny mifanohitra amin’izany dia marina… aminao koa. Ho anao izay an’Andriamanitra, Ilay tompon’izao rehetra izao.
Ho anao izay novidiana tamin’ny rà fa tsy tamin’ny vola, toy ny hitantsika ao anaty Baiboly. (Jereo 1 Petera 1.18-19)
Ho anao izay nanao an’i Kristy ho Tomponao ary tonga mpianany, fantaro fa amin’ny fijery iray monja dia afaka manangana izay reraka ianao.
Amin’ny teny iray dia afaka mamboly tsiky eo amin’ny endriky ny namanao ianao. Ary amin’ny fahanginanao, dia afaka manakana ady ianao amin’ny fandàvanao hampitombo fifandirana na tsaho…
Adidy napetrak’Andriamanitra aminao izany. Eto an-tany ianao mba hitia tahaka Azy, hamela heloka tahaka Azy, hanao tahaka Azy. Tsy amin’ny herinao fa amin’ny Fanahiny araka ny voalazan’ny Baiboly. (Jereo Zakaria 4.6)
Androany, hampidino eto an-tany ny lanitra, ny fitiavana eo ampovoan’ny ady, ny famelana eo amin’ny fifandirana. Amin’ity anio ity, meteza ho masoivohon’ny soatoavin’ny fanjakan’Andriamanitra any amin’izay rehetra alehanao.
Aoka ho tonga ilay fahazavana eo amin’ny fiainan’ny mpiray tanindrazana Malagasy ianao.