Mihazona ny teny fikasany Andriamanitra
“Ary tsy niahanahana ny amin’ny teny fikasan’Andriamanitra tamin’ny tsi-finoana izy, fa nampaherezin’ny finoana ka nanome voninahitra an’Andriamanitra. Ary natoky indrindra fa izay nolazainy dia hainy hatao koa.” (Ny Baiboly, Romana 4.20-21)
Tsy niahanahana Abrahama. Nino hatramin’ny farany Izy fa ilay Andriamanitra mpamorona dia mahay manao fahagagana ho azy. Tsy nampoizina… ny hanan-janaka. Tsy araka ny vinavinan’olombelona… ny hitondra aina. Raha toa tsisy azo atao intsony…nisy fahagagana.
Ry namako, manantanteraka izay lazainy Andriamanitra. Mahatoky Andriamanitra ary mihoatra lavitra noho ny fahasarotana eo aminao izany. Aza manahy ny amin’ny fahatanterahan’ny planin’Andriamanitra ho anao. Aza avela hamono ny finoanao sy hangalatra ny fifalianao ny fisalasalana. Miforona eo an-tànan’ny Tompo ny anjara voatendry ho anao.
Miasa Andriamanitra. Miasa ho anao Izy satria tiany ianao. Ry Namako, hanantanteraka izay nampanantenainy anao Andriamanitra toy ny nataony tamin’i Solange sy Victor, izay hisaorako noho ny fijoroany vavolombelona…
“Nanana olana tamin’ny vadiko aho tamin’ny fotoana nanombohako namaky ny “Fahagagana isan’andro”. Nahatsiaro naratra aho, nambaniana ary nanana eritreritra tsy mahomby. Fa rehefa nanomboka namaky ny fampaherezana isan’andro aho dia nihavao ny finoako, nanana fanantenana aho ary nianatra nankato an’Andriamanitra. Nanomboka ny dingana fanasitranana. Afaka namela heloka aho androany ary tsapako ny fiadanan’Andriamanitra ao an-tokantranoko. Niova nihatsara ny vadiko ary miray saina izahay. Ho tahian’Andriamanitra anie ianao, Pasteur Eric.” Solange avy any Rwanda
“Niaina fotoan-tsarotra teo amin’ny fiainako aho, nofitahan’olona tiako, fianakaviako ihany. Nandray fanapahan-kevitra ny tsy hamela heloka intsony aho. Tena be lolom-po aho, te hamaly faty fa noho ny “Fahagagana isan’andro”, afaka namaky fijoroana vavolombelona sy tenin’Andriamanitra aho nahatonga ahy hiova hevitra. Izany koa no nanampy ahy hahita ny fahalebiazan’Andriamanitra sy ny fahatokiany tamin’ny lafiny samihafa. Misaotra fa misy ianao” Victor avy any Haîti
Afaka miova koa ny fiainanao ary afaka ny hisy fiantraikany amin’ny manodidina anao izany. Ary raha atomboka anio izany ?