Ry Namako, aza matahotra fa momba anao Aho
Tsy handriko ny hihaonako aminao isan’andro. Misaotra noho ny amin’ny fahatokisanao !
Mitombo ny finoanao ary azoko antoka fa faly Andriamanitra amin’ny fandrosoanao. Tena tia anao Izy.
Ity misy tenin’Andriamanitra namboariko hiantefa any aminao :
“Ry Namako, aza matahotra hianao fa momba anao aho ; Ary aza miherikerika foana, fa Izaho no Andriamanitrao. Mampahery anao Aho sady mamonjy anao ; Eny mitantana anao amin’ny tànana an-kavanan’ny fahamarinako Aho ry Namako.” Isaîa 41.10
Avereno vakiana io andinin-tsoratra masina io rehefa misalasala ianao, rehefa manana fanahiana… Manoloana ny fahavalo, ireo trangan-javatra izay tiantsika avotsotra…dia lazao ny tenanao fa mamonjy anao Andriamanitra ary mitantana anao Izy.
Amena ! Hampahery anao tokoa anie Andriamanitra, hamonjy anao, hitàntana anao ary hampandresy anao !
Misaotra noho ny fisianao,