Ry Namako, miseho aminao Andriamanitra
Ao amin’ny Romana 8.38 no hiresahan’ny Baiboly ny fitiavan’Andriamanitra antsika, nasehony ao amin’i Jesosy Kristy Tompontsika.
Rehefa tsy faly ny olona dia manao fihetsiketsehana. Ary rehefa mihetsika ny olona iray dia mitabataba satria tiany hohenoina sy hojerena… Andriamanitra noho ny fitiavany dia te hampiseho amin’ny olona rehetra fa zanany ianao.
Eny, manao hetsika koa Andriamanitra. Tsy hitaraina akory, fa hanome toky anao fa eo Izy, miasa, mitahy, mampionona, manasitrana, manarina, mamela heloka,…
Efa nampiseho ny fitiavany tamin’ny alalan’i Jesosy Kristy Andriamanitra, fa mbola mampiseho an’izany foana foana. Satria fitiavana Izy !
Avelao Izy haneho ny fitiavany amin’ny fiainanao anio. Atsangany ambony dia ambony ny faneva milaza hoe : ry Namako, fitiavana mandrakizay no nitiavako anao. “Tany lavitra any no nisehoan’i Jehovah tamiko ka nanao hoe: Fitiavana mandrakizay no nitiavako anao, koa izany no nampaharetako famindram-po ho anao.“(Jeremia 31.3).
Eo Izy, ho anao sy ao anatinao. Tahaka ny Ray feno fitiavana, dia maneho izany Fitiavana izany Izy anio eo amin’ny fiainanao; manoloana io trangan-javatra io, io aretina io, io fikorontanana io…. Hazoniny ho anao ny Hatsaram-panahiny..