Manokatra ny lalanao Andriamanitra…
Rehefa misy fifandirana dia misy andiany roa : ilay olona naratra sy ilay nandratra. Samy ao anatin’ny geja ny tsirairay. Ny hany fanalahidy hivoahana ao dia ny famelan-keloka.
Mety mieritreritra ianao izao hoe :”Tsy vitako mihitsy izany. Tsy mahavita mamela azy aho, narary ahy loatra ny nataony.” Na koa :”Hamela azy?…izaho angaha naninona….! Sady atao inona koa izany e, tsy hanova na inona na inona…”
Hanova ny rehetra nefa izany. Jesosy dia nampianatra antsika izao tao anatin’ny fampianarany antsika hivavaka hoe : “Mamelà ny helokay tahaka ny hamelanay izay meloka taminay” (Matio 6.12.)
Maratra ve ianao ry namako…? Fantaro fa Andriamanitra dia manome hery anao hamela heloka. Nifikitra hiaino Azy ianao, hanaraka Azy, hitandrina ny Anarany. Ka amin’ny maha-zanaka manoa ny Teniny dia tsy afaka hiala amin’io andinin-tsoratra masina io ianao.
Andriamanitra no namela anao voalohany….Raha tsy nisy io famelana io, na izaho na ianao dia tsy afaka ny ho eo amin’ny fanatrehany, hivavaka Aminy, hidera Azy…Ny famelany no mahatonga antsika koa afaka mamela heloka. Hetsika miavaka tokoa…! Rehefa manao izany ianao dia mamotsitra ilay olona izay nandratra anao.
Raha ianao no nandratra, na nahatonga ny fifanolanana dia azoko tsara hoe mety sarotra aminao ny handeha hanatona ilay olona sy hiaiky ny fahadisoana…. Efa nentin’i Jesosy teo amin’ny hazo fijaliana izay tsy vitanao mba hamonjena anao. Ny hany kely sisa ataonao izay tsy afaka ataon’ny Tompo amin’ny toeranao dia ny mifona eo anatrehan’Andriamanitra sy ny fanetren-tenanao handeha sy hifona amin’ilay olona izay noratrainao. Afaka miteny fotsiny ianao hoe: “Azafady noho ny ratsy nataoko anao…”
Raha laviny dia milamina fotsiny ary matokia. Hihetsika amin’ny fotoana mety Andriamanitra. Inoako ihany koa fa mila mamotsitra rehefa avy niteny ireo. Ary raha tsy mitranga ny fifamelàna raha mbola velona koa izano dia fantaro fa efa milamina ianao eo anatrehan’Andriamanitra manoloana ilay olona.
Na ahoana na ahoana dia manokatra varavarana amin’ny famerenana amin’ny laoniny ny famelana : eo amin’ny fiainanao, ny fifandraisanao.
Tsy hangataka anao hanao izany hetsika feno herim-po izany Andriamanitra raha tsy efa nanomena anao ny fahafahana sy fitiavana.
- Angataho Aminy ny hijerenao ilay olona tahaka ny hijereny anao.
- Angataho Aminy ny hanampy anao ahay hamela na hifona tahaka ny namelàny anao.
- Angataho Aminy ny hitia tahaka ny hitiavany anao.
Ry namako, mifamatotra amin’ny fitahiana ny fankatoavana.
Hampahereziko ianao hanaraka ny ohatr’i Virginie, izay arahabaiko manokana eto :”Hatramin’ny nandraisako ny hafatrareo dia nisy fiovàna goavana eo amin’ny fihetsiko sy ny fomba fijeriko ny fiainana. Raha mora tezitra sy mandratra aho taloha dia ankehitriny kosa dia nampianarin’ny hafatrareo aho hiaino ny hafa sy hiverina hihavana eo amin’i Jesosy Tompo. Nanana olana teo amin’ny rahavaviko aho nandritry ny telo taona, fa ny Fahagagana Isan’Andro no nanampy ahy hihavana indray aminy.”
Mahafinaritra loatra! Ho tahak’izany koa anio ho anao ry namako.