Manameloka anao ve Andriamanitra ?
Ilay fanoharana momba ilay zanaka adala dia anisan’ireo tena fantatra sy tena nampihetsi-po. Izy io dia mitantara fa ilay zanaka lahy dia niverina tamin-drainy,rehefa avy nandany ny lovany rehetra.Nahita azy avy lavitra ny rainy , “Dia niainga izy ka nankany amin-drainy. Fa raha mbola lavitra izy, dia tazan-drainy, ary onena azy izy ka nihazakazaka, dia namihina ny vozony sady nanoroka azy.” (vakio Lioka 15.20.)
Ny tantaran’ilay zanaka adala, dia tantara mikasika ny ray iray izay nahita ny zanany lahy avy lavitra ary nihazakazaka nankeny aminy.Tsy nanome tsiny azy izy.Tsy nametraka fanontaniana na iray taminy izy … Raha tokony handatsa azy izy, dia nameno fitiavana be dia be ho an’ny zanany…!
Ry namako, tsy hoe mandray anao foana fotsiny an-tanan-droa ilay Ray, fa mitsangana ihany koa Izy mitady anao . Na tahaka ny ahoana na tahaka ny ahoana :
- ny halalin’ny gadranao
- ny halehiben’ny fahadisoanao
- na ny tahotra mety ho tsapanao
- ny fari-piainanao
- Ny fahotanao
Manao dingana iray mankany aminao Andriamanitra.
Ao anaty Baiboly, hitantsika Jesosy manatona ireo mpanota . Tsy mihodina azy ireo Izy ary tsy mitsara azy ireo. Mifanohitra amin’izay, mandray azy ireo an-tanan-droa. Izy dia be fangorahana ary mamela.
Araka izany, vakintsika ao amin’ny Jaona 8.10-11 : “Ary rehefa nitraka Jesosy, dia hoy Izy taminy; Ravehivavy, aiza ireny? Tsy nisy nanameloka anao va? Ary hoy izy: Tsy misy, Tompoko. Dia hoy Jesosy: Izaho koa dia tsy manameloka anao; mandehana, ary amin’izao sisa izao dia aza manota intsony .”
Io vehivavy io dia tratra nijangajanga. Nony nahita azy nanatona , dia mety nahatsapa tahotra sy ahiahy ity vehivavy : “Inona no ho ataony ahy…? Hotorahany vato ve aho …?” Raha tokony nanameloka sy nandray anjara tamin’ny fitoraham-bato azy Jesosy dia niaro azy ary namela ny fahadisoany.
Raha toa ka mahatsapa lavitra an’Andriamanitra ianao androany ,Izy no ilay manao dingana mankeny aminao . Ilay mifoha mba hahita anao. Hamoaka anao ao am-pigadrana . Hanala anao ao anaty aretina. Hamoaka anao ao anatin’ny tebiteby. Hanafaka anao amin’ireo fijalianao.
Na ahoana na ahoana ny hatevin’ny rindrina manodidina anao, ilay Ray masina dia mandrava izany amin’ny alalan’ny herin’ny fitiavany,ny fahefan’ny Teniny
Mankahery anao aho androany mba hiankina Aminy sy hiantehitra Aminy .Tsy hanary anao mihitsy Izy . Tsy hamela anao mihitsy Izy.
Mirary tontolo andro voahodidin’ny fitiavany ho anao.