Tena tia anao amin’ny maha ianao anao ve Andriamanitra?

PEJY FANDRAISANA | Miracles | Tena tia anao amin’ny maha ianao anao ve Andriamanitra?

Hatramin’ny naha pasitera ahy dia nahare izao matetika aho hoe: Tsy amin’ny haavo ilain’Andriamanitra aho. Tsy mendrika ny ho tiaviny aho. Tsy haiko raha miaina toy izany koa ianao ankehitriny ry namako, fa fahatsapana iray tena azoko manokana izany. Efa nisy fotoana aho nanao fahadisoana, nandratra ny olona manodidina ahy… ary tsy faly ny amin’izany zavatra nataoko izany aho, minoa ahy ianao…
Fa manoloana izany zavatra rehetra izany dia nandray lesona aho hoe: Mifaly amin’ny maha izaho ahy Andriamanitra. Ny hany zavatra ratsy mety hiseho dia ianao manalavitra an’Andriamanitra noho ny tahotra tsy ho ekeny amin’ny maha ianao anao.
Ny zavatra tokana tena mety hahatonga an’Andriamanitra lavitra anao dia ny fijanonana anatin’ny ota. Ny tsy mangataka fifonana ary ny mijanona an-tsitrapo anatin’ny toe-tsaina na fiainana izay tsy irin’Andriamanitra ho anao.
Ny Baiboly dia mampianatra antsika izao ao amin’ny 1 Jaona 4.9-11 : “Izao no nanehoana ny fitiavan’Andriamanitra antsika: Andriamanitra naniraka ny Zanani-lahy Tokana tamin’izao tontolo izao, mba hahavelona antsika amin’ny alalany. Izao no fitiavana: tsy ny nitiavantsika an’Andriamanitra fa ny nitiavany antsika, ka nirahiny ny Zanany ho avotra noho ny fahotantsika. Ry malala, raha izany no nitiavan’Andriamanitra antsika, dia mba tokony hifankatia kosa isika.”
Amin’ny maha-zanak’Andriamanitra anao, ny fanirianao dia ny manao izay mahafaly Azy ary ny manao ny sitrapony, tsy miahiahy ny amin’izay aho . Araka izay , rehefa miatrika fahotana ianao , mitodiha amin’ilay Ray any an-danitra ary mifonà Aminy . Raiso ny fahasoavany, ary roahy izay mety fanamelohan-tena rehetra . Andriamanitra dia mahatoky ary marina hamela anao. (vakio 1 Jaona 1.9.)
Manasa anao ary aho mba tsy ho roboka amin’ny eritreritra tahaka ny hoe :

  • “Rikoriko amiko Andriamanitra, ny amin’ny maha-izaho ahy , ny amin’izay ataoko.”
  • “Tena tia ahy amin’ny maha-izy ahy ve Andriamanitra…?”
  • “Raha tena mahafantatra ny momba ahy rehetra Andriamanitra , dia tsy ho tia ahy.”
  • “Tena tian’Andriamanitra ve ny fireneko mahantra be izay hanjakan’ny kolikoly sy ny tsy fahamarinana…?”

Rehefa mamela Andriamanitra dia tena ataony tokoa. Raha mantona Azy ianao hamboraka ny fahadisoanao dia tsy mba ho laviny. Tahaka ilay zanaka adala izay nisafidy hiverina tamin-drainy ary noraisin’ny rainy tia an-tanan-droa ..!
Ny Rainao ao an-danitra dia mitia anao amin’ny fitiavana tsy misy tambiny. Tsy misy afaka ampitahaina amin’ny fitiavany. Mankahery anoa aho anio hampitraka ny lohanao, hangataka famelàna amin’ny Tompo raha ilaina ary hanohy ny dianao.
Aza avela hihazona anao lavitry ny fitiavan’Andriamanitra ny fanalamelohan-tena. Tia anao Andriamanitra.

0aa5074f-signature-eric_06u01s06u01s000000

Maniry ny hanova ny fiainanao Andriamanitra

Mandraisa fampaherezana isan'andro!



*Ny fisoratanao anarana dia hanaikenao ny fepetra sy fifanajana ary ny fanambarana tsiambaratelo.

Fahagagana ny fisianao!