Manafaka ny fonao ny famelanao heloka.
Amin’i Jesosy ny famelan-keloka dia tsy azo hialana. Izany no mahatonga azy manasa anao hiaina izany tanteraka, amin’ny alalan’ny teniny: Fa raha mamela ny fahadisoan’ny olona hianareo, dia mba hamela ny anareo kosa ny Rainareo Izay any an-danitra. Fa raha tsy mamela ny fahadisoan’ny olona hianareo, dia tsy hamela ny fahadisoanareo ny Rainareo. (Matio 6:14)
Azoko antoka fa efa nisy olona nandratra anao. Eny na eo am-pieritreretana an’izany fotsiny aza dia mampitamberina anao zavatra maro. Alahelo…? Lolom-po…? Fahatezerana…? Rariny tokoa izany…
Ankehitriny, Inona anefa no ataonao manoloana an’ireo fihetseham-po ireo? Hamela izany hitondra ny fiainanao sy hifehy anao ve? Hanapoizina anao sa hanagadra anao…?
Jesosy dia mampianatra antsika fa ny famelan-keloka dia mamaha toe-javatra maro eo amin’ny fiainantsika ary ny mifanohitra amin’izany, ny fandavantsika hamela heloka dia dia manidy ny lanitra amin’ny vavaka ataontsika.
Ary ny tena zava-dehibe, rehefa mamela heloka isika dia manao tahaka an’ilay Ray izay any an-danitra…!
Manasa anao aho ankehitriny hitady ny fanatrehan’Andriamanitra ry namako:
- Zarao Aminy izay mbola mandratra anao
- Angataho Izy hanampy anao hamela heloka amin-kitsimpo
- Avelao Izy hanafaka sy hanasitrana anao.
Raha tianao, dia azonao atao mihintsy aza izao fanambarana izao: “Anio aho dia hanapa-kevitra hamela heloka an’ i (tonony ny anaran’ilay olona) tamin’ireo ratsy rehetra nataony tamiko: ( tonony tsara mihitsy ny antony hamelanao ny helony.) Mamela heloka aho satria te hampifaly Anao Tompo ô, ary satria izany no angatahinao amiko. Tahaka ny namelanao ny heloko, dia mba hamela heloka koa aho. Amin’ny anaran’i Jesosy. Amen.”
Amin’ity andro anio ity dia manapaha hevitra ny hamela heloka : Te hanafaka ny fonao Andriamanitra. Aza avela handalo fotsiny izany fahasoavana izany.
Misaotra fa misy ianao,