Aza manamelo-tena intsony!
Hitantsika fa maniry hamela ny helok’ireo izay mibebaka rehetra Andriamanitra, ary tsy ankanavaka izany. Ary koa, ny famelana ny fahotana no dingana ilaina hamerenana indray ny fifandraisana akaiky amin’ny Ray. Eny tokoa, ny ota no mampisaraka antsika Aminy.
Zavatra iray tena manan-danja, izay mety ho adinontsika dia izao: “Fahasoavana no anton’izao rehetra izao”. Hoy ny teny: “Fa fahasoavana no namonjena anareo amin’ny finoana; ary tsy avy aminareo izany, fa fanomezana avy amin’Andriamanitra” (Efesiana 2:8)
Io fanomezan’Andriamanitra io dia tsy iza fa ny soron’’i Jesosy Kristy Zanany, ilay tsy manan-tsiny…fa Izy no nohomboana tamin’ny hazo fijaliana ho famonjena antsika mpanota… Na ezaka toy inona na asa toy inona dia tsy ampy ahavaly izany famelan-keloka izany.
Zava-dehibe ny hiasan’izany famelan-keloka izany ao anatinao. Eny, voavela ny helokao, mihavana amin’Andriamanitra. Anjaranao indray izao no mamela izay rehetra nanao ratsy taminao, araka ny vavaka nampianarin’i Tompo manao hoe: “Mamelà ny helokay tahaka ny namelanay izay meloka taminay.” (Matio 6:12)
Kanefa, alohan’ny hieritreretanao ny hafa, efa namela ny tenanao ve ianao ry namako…? Andriamanitra dia maniry hanome anao ny famelan-keloka feno. Fa ny fahafahana tanteraka dia mila mandalo an’ireto dingana telo ireto:
- Raiso ny famelan-keloka avy amin Andriamanitra,
- Mamelà ny hafa,
- Ary farany mamelà ny tenanao.
Mety mbola tafahitsoka eo amin’ilay dingana faha 3 angamba ianao: toa tsy vitanao ny mamela ny tenanao… Hamarino fa tena namela tamin’ny fonao manontolo ireo izay nandratra anao ianao. Amin’ny fanaovana zavatra am-pitiavana ho an’ny hafa no hanomezantsika toky ny fontsika.
Mbola misy “entam-be” taritinao eo amin’ny fiainanao ve, noho ny hadisoana nataonao taloha…? AOKA IZAY, aza manamelon-tena intsony…! Tonony araky ny teny ao amin’ny (Romana 8:1), fa tsy misy fanamelohana ho an’izay ao amin’i Kristy Jesosy. Noho izany, tsy misy fanamelohana ho anao intsony koa…!
Ambarako amin’ny anaran’i Jesosy fa tsy misy fanamelohana intsony eo amin’ny fiainanao satria efa ao amin’i Jesosy ianao ry namako!
Androany, mampahery anao aho mba hampitoetra izany famelan-keloka izany, ho an’ny tenanao ary ho an’ny hafa.
Ny fitahian’ny Tompo anie ho aminao!