Avotsory ny herin’ny fitsanganan’ny tena amin’ny maty

PEJY FANDRAISANA | Miracles | Avotsory ny herin’ny fitsanganan’ny tena amin’ny maty

Tany amin’ny Plage du lac izay nindraman’i Jesosy ilay lakan’i Petera mba hampianarany ny vahoaka ny mpitarika ahy anankiray vao aingana. Mba hahafahany mahazo hoe ahoana ny fomba nihainoan’ny vahoaka aman’arivony an’i Jesosy, dia nasainy nijanona teo alavidavitry ny amoron-drano ny vadiny ary izy nitory teny mafy teo ambon’ilay lakana. Ireo izay tsy mino an’i Kristy dia nilaza fa ny toetoetry ny tany, ny rano, ny rivotra, ny tendrombohitra no namela ny feon’i Kristy ho ren’ny olona. Fa mihoatra lavitra noho izany nefa….
Nanontany ny Fanahy Masina ilay namako mba ampisehoany aminy ny fomba nahafahan’ny olona aman’arivo nihaino an’i Jesosy niresaka momba ny Ray. Ny valinteniny dia tena nahaliana sy nankahery ahy : “Rehefa mitory teny ianao dia mamoaka ny herin’ny Fanahiko izany, ary mihazona sy mitondra ny Teny ao anatin’ny fo.”
Azonao an-tsaina ve ny herin’Andriamanitra ao anatin’ny Teniny…? Izany hery izany dia ao anatin’ny Teny izay ao ampontsika. Miasa izany ao anatin’izay mino rehetra. Ary mihazona ny teny notoriana, izay mivoaka amin’ny vavantsika mba hanatratra ny fontsika…! Kristy ilay fiainana hafa mihitsy!
Mihoatra noho ny hatramin’izay :

  • Mila fatratra Azy ny olombelona,
  • Tena ilaina ianao eny an-tanan’Andriamanitra,
  • Tian’Andriamanitra ho mpitondra ny Teniny ianao.


Ry namako, amin’izao fotoanan’ny Paska izao dia ilain’Andriamanitra ianao hitory ny Teniny izay napetrak’i Jesosy ao anatinao. Nilaza Izy : “..Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana.. (Vakio Jaona 14.6)
Manana tombotsoa ianao hitory ny teny soa mahafaly na aiza na aiza….! Ary hamotsitra ny herin’ny fitsanganan’ny tena amin’ny maty….! Andriamanitra dia nanamarina sy nampiseho fa Jesosy no Fahamarinana eo imason’ny rehetra, tamin’ny alalan’ny fitsanganan’ny tena tamin’ny maty. Mijoroa tsara fa tsy vavolombelona mpandainga ianao….! (Vakio 1 Korintiana 15.12-19.)
Mandritra ity Paska ity ry namako malala, raha nametraka ny fatokianao tamin’i Kristy ianao dia ambarao izay marina…! Hamotsitra ny herin’Andriamanitra ianao amin’izany, izay hahatonga ny olona hino an’i Jesosy Kristy.

0aa5074f-signature-eric_06u01s06u01s000000

Maniry ny hanova ny fiainanao Andriamanitra

Mandraisa fampaherezana isan'andro!



*Ny fisoratanao anarana dia hanaikenao ny fepetra sy fifanajana ary ny fanambarana tsiambaratelo.

Fahagagana ny fisianao!