Andriamanitra no tompon’ny teny farany…😀
Ao anatin’izao fotoanan’ny Paska izao dia tsara ny mahatsiaro ireo zavatra rehetra niaretan’ny Mpamonjy antsika teo amin’ny hazo fijaliana noho ny fitiavany antsika…ary indrindra koa ny fitsanganany tamin’ny maty…! Fantatrao ve ilay horonantsary hoe “La résurrection du Christ”…?
Io horonantsary io dia mitantara ny nolalovan’ny romana iray izay nirahina mba hamakafaka ny amin’ny fanjavonana mahavariana an’i Mesia. Foana ny fasana ary nitady fanazavana mitombina ny amin’izany izy. Ny Romana dia nanahy fa nisy nangalatra ny vata mangatsiaka an’i Kristy ary tsy nanaiky ny hino fa nitsangana tamin’ny maty Izy, araka izay nambaran’i Jesosy sy ny mpianany. Avelako ianao hahita ny tohiny…
Nahakasika ahy io horonantsary io. Nalaiko sary an-tsaina hoe miaraka amin’ny mpianatr’i Kristy aho, mandeha miaraka Aminy, tao aorianan’ny fahafatesany sy ny fitsanganany tamin’ny maty. Fotoana mampitolagaga raha niainana…! Tena tiako aho raha mba teo koa….
Amin’ity herinandron’ny Paska ity ry namako dia tsy misy tsara indrindra afatsy ny mahatsiaro fa eo Jesosy ary mbola miasa foana Izy amin’izao fotoana izao…! Na dia tao am-pasana aza ny Mpamonjy ary noheverina fa hoe vita ny zavatra rehetra, Andriamanitra dia mbola tsy nilaza ny teniny farany….
Mitantara amintsika Michèle, mikasika ny zanany lahy: “Tsy nody nandritra ny 2 herinandro ny zanako lahy 18 taona izay mpifoka zava-mahadomelina. Nitaintaina sy natahotra fatratra aho. Isa-maraina isaky ny mamaky ny Fahagagana isan’andro aho dia misy hafatra mampahery miandry ahy foana ao, izay nanampy ahy hihazona ny finoako. Niverina tao an-trano ny zanako ny zoma mialohan’ny Paska. Amin’izao fotoana izao izy efa tsy dia mifoka intsony ary manaiky ampiako. Ary dia nanapakevitra ny hiverina any an-tsekoly ihany koa izy. Fantatro fa efa nanomboka niasa tao aminy ny Raintsika ary izany fahagagana izany dia natao ho fanandratana ny olony”.
Jesosy irery no afaka manova fiainana… Satria “dia nalevina, ary natsangana tamin’ny andro fahatelo araka ny Soratra Masina.” (Vakio 1 Korintiana 15.4.)
Mamerina :
- Ny tebitebinao amin’ny fiadanana Izy..
- Ny famatorana rehetra ho amin’ny fahafahana.
- Ny fanilihana ho amin’ny fitiavana.
- Ny alahelo ho amin’ny fifaliana indray.
- Ny aizina ho amin’ny fahazavana.
- Ny aretina ho amin’ny fanasitranana.
Ry namako, efa eo Kristy hanova anao amin’ny alalan’ny fitsanganany tamin’ny maty izay mampitolagaga. Avelao Izy hanasitrana ny vatanao, hamerina amin’ny laoniny ny sainao ary hanova ny fisainanao. Tia anao Izy….!