Ry namako, ny valitenin’ny olon’Andriamanitra dia ny fitiavana
Ary hoy Jesosy: Raiko ô, mamelà ny helony, fa tsy fantany izay ataony. (Lioka 23:34)
“Ray ô, mamela ny helony…”
Endrey ny halemem-panahin’i Kristy amin’izany teniny izany. Endrey ny fanadinoiny ny tenany. Endrey ny Fitiavany lehibe indrindra. Ilay tsiambaratelo ho an’ny fiainantsika.
Tamin’ny fotoana nanaovan’i Jesosy an’io vavaka io dia teo am-pototry ny hazo fijaliana Izy… Afaka nitaky ny rariny Izy, afaka niteny tamin’ireo olona teo izy hoe: “Mialà ianareo” na “nanozona azy ireo tamin’ny zavatra nataony”… ho setrin’izany anefa dia nivavaka ho azy ireo no nataony…
“Satria tsy fantany izay ataony…”
Mba afaka hanambara tsy ankiato isika fa Jesosy dia mamela heloka, FITIAVANA Izy, ka tsy ho ao anatin’ny tsy fahalalana intsony izay mamatotra ny olona amin’ny fankahalana sy ny fahotana…
Eny, Jesosy dia Fitiavana ry namako. Aoka isika hampiely ny Fitiavany. Aoka isika hampiseho ny fitiavany, hizara ny fitiavany. Araka ny tenin’ny Pastera Martin Luther hoe: “Ny haizina tsy afaka mandroaka ny haizina, fa ny mazava irery ihany no afaka manao izany. Ny fankahalana tsy afaka manala ny fankahalana, fa ny fitiavana ihany no mahavita izany.”
Andao atombontsika eto Madagasikara ny fizarana fitiavana. Eny, ny valitenin’ny olon’Andriamanitra dia fitiavana.
Misaotra fa misy ianao,