Ry namako, tsy hiova mandrakizay ny fitiavany anao.
Naharay an’io teny io tany amin’ny namana iray aho androany. Momba an’ i Jerosalema, tanàna tena tiako manokana. Ary io teny ao amin’ny baiboly io koa dia mampatsiahy ahy anao.
“Fa na dia hifindra aza ny tendrombohitra;
Ary na dia hihetsika aza ny havoana,
Tsy mba hiala aminao ny famindrampoko,
Ary tsy hitsoaka ny faneken’ny fihavanako,
Hoy Jehovah, Mpamindra fo aminao.” (Isaia 54:10)
Eny mety hifindra ny tendrombohitra ary mety hietsika ny havoana fa ny fitiavan’ Andriamanitra anao tsy hiova mandrakizay. Te hampifaly anao Izy. Tena tia anao amin’ny fony manontolo Izy ry namako.
Tsy misy azo hoarina amin’ny Fitiavany. Na manokana fotoana kely eo amin’ny fanatrehany isika na manadino izany indraindray dia tsy miova ny Fitiavany anao. Moa tsy mahafinaritra ve hoe Ilay Mpamorona an’izao tontolo izao no miteny anao manokana hoe: “…. amin-pitiavana”?
Sitrak’Andriamanitra tam-pitiavana ny fisianao. Eny, noho ny Fitiavany anao dia naniraka ny Zanany lahy tokana Izy mba hamonjy anao. Ary androany, noho ny Fitiavany hatrany dia miteny aminao izy hoe: “Fitiavana mandrakizay no hitiavako anao”. Tena fanehom-pitiavana tsy misy tsara noho izany.
Misaotra fa misy ianao,