Inona no atao refa rava ny fitokisana Ry namako ?

PEJY FANDRAISANA | Miracles | Inona no atao refa rava ny fitokisana Ry namako ?

Anio dia hojerentsika miaraka ny zavatra azonao atao rehefa misy fifandraisana rava. Ny fifamaliana dia mahazo ny olona rehetra, fa azo atao ny miainga amin’ny fototra vaovao indray rehefa mifanaraka ny roa tonta. Ilaina ny manangana indray ny fahatokiana, izay matetika efa simba na voafitaka tanteraka. Mba hahatongavana amin’izany dia zava-dehibe ny manaiky ny fahadisoana, ary ny mahavita mamela ny heloky ny anankiray.

Ny famelàna dia tena ilaina mba hamerenana ny fitokisana indray. Tsy afaka hiverina amin’ny laoniny ny fifandraisana rava raha tsy izany. Izao no afaka ataonao raha sendra izany, raha tsy miverina amintsika intsony ilay olona, dia lasa voafatotra isika ary mijaly.

Aza lavina ny fahafahana izay entin’ny famelàna, Ry namako. Nateraka mba hiaina amin’ny fahafahana ianao, mba hifaly amin’ny fiainana izay nomanin’Andriamanitra ho anao. Aza avela angalatra ny fiainanao intsony ny tsy fahampian’ny famelan-keloka,

  • Ambarao amin’ny Tompo ny olanao. Lazao Azy na soraty Aminy mihitsy aza ny ratranao. Amin’ny fahatsorana. Angataho Izy mba hanampy anao hamela heloka.
  • Rehefa eo anatrehany dia misafidiana ny hamela heloka satria Jesosy dia nampiatra antsika tahaka izao : “Ary mamelà ny helokay tahaka ny namelanay izay meloka taminay.” Matio 6.12
  • Dia farany, ambarao amin’Andriamanitra ny famelànao. Ary raha nosoratanao tamin’ny taratasy izany dia dory ilay izy (aza mandoro trano an)

Rehefa mamela heloka ianao dia afaka amin’ny heloka, ary hiala tsikelikely ny fanaintainana.

Misy fotoana isika milaza hoe : “Hiandry an’ilay olona hangataka famelàna amiko aho izay vao hamela azy!” Hosimbain’izay nefa ny fifalianao… Mamelà heloka. Hanampy anao hamela heloka tanteraka Andriamanitra. Matokia fa ho ataony izany raha angatahanao Aminy.

0aa5074f-signature-eric_06u01s06u01s000000

Maniry ny hanova ny fiainanao Andriamanitra

Mandraisa fampaherezana isan'andro!



*Ny fisoratanao anarana dia hanaikenao ny fepetra sy fifanajana ary ny fanambarana tsiambaratelo.

Fahagagana ny fisianao!