Ny hevitra ao ambadiky ny famelan-keloka.
Rehefa maratra isika, rehefa sarotra ho antsika ny hamela heloka, dia azon-tahotra isika matetika : “Raha mamela azy aho dia lasa tsy maintsy hihavana indray izahay!”
Tsia, tsy voatery ho izay ! Ny fandehan’ny famelàna dia aminao sy Andriamanitra aloha. Asa fankatoavana an’Andriamanitra izany.
“Mifandefera,ka mifamelà heloka ianareo, raha misy manana alahelo amin’ny sasany; tahaka ny namelan’ny Tompo ny helokareo no aoka mba hamelanareo heloka kosa.” (Kolosiana 3.13)
Mangataka antsika Andriamanitra mba hamela heloka mba hihavanana..Aminy ! Fa tsy voatery hiverina ho naman’ilay nandratra anao ianao akory !
Nefa raha izay no mitranga, dia tena tsara ny mamerina fifandraisana madio. Fa tsy fahotana akory raha tsy izay no mitranga ! Fa ny angatahan’Andriamanitra aminao dia ny hamela heloka.
Rehefa mihazona lolom-po amin’ny olona anankiray isika dia lasa tsy mamela ny Fanahy Masina hiasa mahery vaika sy hitondra vokatsoa amin’ny fiainan-tsika ny toe-pontsika. Ny famelàna ny hafa dia mamerina indray ny fifandraisan’ny fontsika amin’ny fon’Andriamanitra.
Ry namako, raha mandalo fotoan-tsarotra ianao dia mampahery anao aho mba hisafidy ny hanao izay manan-danja amin’Andriamanitra. Tsy mora ny mamela heloka, fa rehefa mamela heloka nefa ianao, dia manome fanomezana ny tenanao !