Ry namako, avotsory ny famelan-keloka !

PEJY FANDRAISANA | Miracles | Ry namako, avotsory ny famelan-keloka !

Indraindray misy ahi-dratsy miafina ao am-pontsika. Hitanao, ireny zavatra tsy mazava, miafina nefa mety manimba ny zaridaina rehetra !
Indraindray isika mahita izay mihazona fahatezerana amin’ny olona anankiray, tsy famelan-keloka, fangidiana anaty, fanenenana…
Mandoto tsikelikely ny ao anatintsika ireny fahatsapana ireny, ary farany manakana ny zaridainantsika (manakana antsika) hivelatra sy hamiratra ho an’Andriamanitra.
Araraoty ary izao maraina izao Ry namako, hamantaranao ireo ahi-dratsy sy hanongotra izany ao am-ponao. Mety tena marary tokoa izany, kanefa mahasoa anao tanteraka koa !
Esory tsirairay ny fakan’ny fahatezerana, ny tsy famelan-keloka, ny fangidiana, ary avotsory ny tenanao amin’izany vesatra izay nanimba anao izany. Avotsory ny famelan-keloka Ry namako, na ho anao na ho an’ny hafa.
Manana zo ny hiaina amin’ny fahafahana tanteraka ianao : efa nomen’i Jesosy anao izany fahafahana izany izay naloany tamin’ny ainy. (Jaona 8.36)
Diovy ny “zaridainanao”. Ongoty, havao, mambole, tondraho…Aoka ho feno fiadanana ny fonao, izay hanjakan’ny famelana sy ny fitiavana. Tsy maninona izay mety hitanao, tsapanao, tsikaritrao, henonao manodidina anao, na mety ianao mihitsy aza no iharan’izany…misafidiana ny hamela heloka, fa hotahiana mihoatra ianao.

0aa5074f-signature-eric_06u01s06u01s000000

Maniry ny hanova ny fiainanao Andriamanitra

Mandraisa fampaherezana isan'andro!



*Ny fisoratanao anarana dia hanaikenao ny fepetra sy fifanajana ary ny fanambarana tsiambaratelo.

Fahagagana ny fisianao!