Mihaino ny feonao Izy!

PEJY FANDRAISANA | Miracles | Mihaino ny feonao Izy!

“Mihainoa, Jehovah ô,Fa mitaraina mafy aho;
Ary mamindrà fo amiko, ka valio aho!”
Salamo 27:7

  • Mihaino ny feonao Andriamanitra. Hoy izy aminao: Fantatro ianao . Fantatro ny fotoana hifohazanao sy hatorianao. Ary mbola tsy eo imolotrao akory ny teny dia efa fantatro tanteraka izany. (Vakio Salamo 139:3-4). Na izany aza, tiako ny mandre ny feonao, tiako ny miresaka aminao. Toy ny fitiavan’ny ray aman-dreny mandre ny feon-janany. Inona no tianao hataoko aminao anio?
  • Andriamanitra dia maniry ny hamindra fo aminao. Ny hoe mamindra fo dia mamela heloka, manadino ny fahadisoana, mandrotsaka ny fitiavany eo amin’ny fiainanao!
  • Te hamaly anao koa Izy. Ary mino aho fa hamaly anao tokoa Izy satria tena tiany manokana ianao.

Anio ary ry namako, tsy mety ny mangiana, asehoy azy ny tetikasanao, ny tanjonao, ny olanao. Tantarao Aminy ny andronao ary apetraho Aminy ny fiainanao, ny tokantranonao, ny asanao, ny fianaranao, ny firenenao. Andao ary.

0aa5074f-signature-eric_06u01s06u01s000000

Maniry ny hanova ny fiainanao Andriamanitra

Mandraisa fampaherezana isan'andro!



*Ny fisoratanao anarana dia hanaikenao ny fepetra sy fifanajana ary ny fanambarana tsiambaratelo.

Fahagagana ny fisianao!