Ry namako, tia anao Andriamanitra, izay fotsiny !
[Nalaina tamin’ny hafatra isan’andro mitondra ny lohateny hoe : “Tia anao Andriamanitra, izay fotsiny.”]
Inty ny famintinana :
Nandratra olona maro aho teo amin’ny fiainako, indrindra tamin’ny fiandohan’ny ministera : tao am-piangonana, tao amin’ny Top Chrétien, tao amin’ny fikambanana hafa izay niasako. Ifonako tanteraka izany. Nibebaka aho ary nangataka famelan-keloka tamin’ireo izay noratraiko isaky ny manana fahafahana hanao izany aho.
Nomen’Andriamantra fahafahana hiaina zavatra mahafinaritra aho indray andro. Afaka namela ny tebiteby rehetra tato anatiko teo am-pototry ny hazo fijaliana aho. Nafahan’i Jesosy aho ary nanova tanteraka ny fifandraisako taminy Izy.
Hitako ary tsapako fa Andriamanitra no Raiko ary fitiavana mandrakizay no hitiavany ahy. Nomeny fifaliana aho ato anatiko. Zanany aho. Manana hevitra tsara ho amin’ny fiainako Izy.
Ianao koa Ry namako, omeo an’i Jesosy ny ao anatinao lalina. Avelao Izy haneho aminao ny fomba fijeriny anao. Dia ho gaga ianao fa ny fomba fijeriny anao dia tsy mitovy amin’ny fomba fijerinao ny tenanao. Tia anao Izy, izay fotsiny!
Aza avela hanakorontana anao ny zava-misy izay nisy anao na mbola misy anao amin’izao fotoana hamakianao ahy izao. Ny Rainao any an-danitra dia tia anao amin’ny Fitiavana tsy misy fepetra. Matokia an’izany.