Indro “Fahagagana isan’andro” ho anao
Tia anao manokana Andriamanitra.
Fantatrao ve fa mieritreritra zavatra tsara mikasika anao Andriamanitra ? Fantatrao ve fa manana planina ho an’ny fiainanao Izy ? Fantatrao ve fa tiany manokana ianao ?
Feno Fahagagana ao anatin’ny Baiboly miresaka an’Andriamanitra velona, ilay Andriamanitra fitiavana. Izy no manatanteraka izay tsy vitan’ny olombelona rehetra.
Te hiasa eo amin’ny fiainanao Andriamanitra.
Mino aho fa velona sy miasa ny Teniny. Mino koa aho fa manondraka sy mamokatra izany. Maniry aho mba eo am-pamakiana na eo am-pihainoana izao hafatra izao ianao dia :
- Ho fantatrao ny lanja omen’Andriamanitra anao
- Ho voatahy sy hitombo ianao
- Hitombo ny finoanao
- Hahatsapa ny fitiavana sy ny herin’Andriamanitra.
Mihavao isa-maraina ny fahatsarany.
Raha misoratra anarana amin’ny “Fahagagana isan’andro” ianao, dia hahazo hafatra fampaherezana isa-maraina, izay haneho aminao hatraiza ny fahalinan’Andriamanitra aminao.
Tena talanjona aho fa miasa amin’ny alalan’izany hafatra isan’andro izany Andriamanitra, izay noezahako natao manokana sy mivantana amin’ny tsirairay. Maniry aho ny mba hahafahanao mahita fa sarobidy sy miavaka ianao amin’Andriamanitra. Maniry koa aho mba ho hitanao ireo fikasana tsara sy miavaka izay nomanin’Andriamanitra ho amin’ny fiainanao sy ho amin’ny firenenao manokana.