Ry namako, mandrosoa hatrany !
Indray andro, tany Israely, nisy arabo mpifindra monina iray nanoro ahy lohasahy somary tery izay ka na ny masoandro aza dia tsy tafiditra ao rehefa amin’ny atoandro. Nilaza izy hoe : “Mijanona anaty aizina ity lohasahy ity na amin’ny andro atoandro aza. Tena tahaka ny lohasahy aloky ny fahafatesana mihitsy. Raha misy loza manjo anao ato dia tsy hisy olona hahita anao akory”. Ary mba hahazoako azy tsara dia nampiany hoe :”Tsy misy tambanjotra tonga ao!”
Misy fotoana voatery mandalo lohasaha tahaka izany isika. Maizina be. Tsy haintsika ahoana no ivoahana ao. Feno tahotra isika… Ary na ny fifandraisana amin’Andriamanitra aza toa tapaka.
Ao amin’ny Salamo 23 dia mizara fanalahidy amintsika Davida : mandroso!
Niteny izy hoe : “Eny, na dia mandeha mamaky ny lohasaha aloky ny fahafatesana aza aho,..” Salamo 23.4
Tamin’ny alalan’io andinin-tsoratra masina io no niresahan’Andriamanitra tamin’ny namako Stéphan. Nahitana homamiadan’ny voa tao aminy, ary métastase tao amin’ny atidoha. Tena ratsy ny fizahana nataon’ny dokotera. Raha tokony hiatrika fandidiana indroa izy dia niteny taminy an’io andinin-tsoratra masina io Andriamanitra (na dia mandeha..). Teo dia nanambara izy : “Ato amin’ny aloky ny fahafatesana aho fa asain’Andriamanitra mandroso foana. Ka na inona na inona vaovao na zava-misy, dia hatoky an’Andriamanitra aho ary hanohy handroso!”
Nivavaka izahay ary nanao fahagagana teo amin’ny fiainan’i Stéphan Andriamanitra. Hoy ilay dokotera nandidy ny lohany hoe : “Mbola tsy nahita ohatran’izao mihitsy aho, fiparitahan’ny homamiadana nefa tsy misy homamiadana!”
Nety ny nataon’i Stéphan, nandroso foana. Salama tsara izy izao ary mahatanteraka am-pifaliana ny asany.
Aza mitsahatra matoky an’Andriamanitra ry namako. Mandrosoa foana. Mino aho fa raha mandroso foana ianao dia tsy ho ela dia tafavoaka ao anatin’io lohasaha io.