Aza miraviravy tànana ry namako.
Raha tonga nanafika an’ny Israely ny fahavalo indray andro, dia nomen’Andriamanitra paik’ady miavaka i Mosesy.
Nasaina nivavaka teny an-tendrombohitra i Mosesy ary Josoa kosa nasaina niady teny an-dohasaha.
Hoy ny Baiboly : Ary raha nasandratr’i Mosesy ny tànany, dia nahery ny Isiraely; fa raha nampidininy ny tànany, dia nahery kosa ny Amalekita. Eksodosy 17.11
Tsy irery akory i Mosesy. Nanohana ny tanany i Arona sy Hora araka ny voalaza ao amin’ny Baiboly.
Misy fotoana isika mila olona hanampy sy hanohana ny tanantsika. Izay no tiako atao amin’ny “Fahagagana isan’andro”.
Te hanampy anao aho hanandratra ny tananao anio ary te hilaza aminao hoe : aza kivy. Mbola tsy nilaza ny teniny farany Andriamanitra. Anao ny fandresena. An’ny Malagasy ny fandresena. Mahereza. Aza mamotsitra. Ny fahavalo no tokony mamotsitra. Manoatra noho ny mpandresy ianao amin’ny alalan’ilay tia anao.