Ry namako, hamaly soa anao Andriamanitra !

PEJY FANDRAISANA | Miracles | Ry namako, hamaly soa anao Andriamanitra !

Toko miresaka momban’ny finoana ao anatin’ny Baiboly ny Hebreo 11. Raha tsy misy finoana, dia tsy misy azo atao hahazoana sitraka Aminy.

Manam-pinoana ianao ry namako ! Eny, na dia mangozohozo aza ny finoanao indraindray, mihareraka, tsy voafehy tsara… na dia misalasala sy matahotra aza ianao indraindray, mino ianao fa misy Andriamanitra.

  • Ny finoana an’Andriamanitra no dingana voalohany. Ny finoana ny fisiany, ny famonjeny tamin’ny alalan’i Jesosy Zanany. Ny finoana ny famelan-keloka. Ny finoana ny fahasoavany.
  • Ny finoana izay lazainy no dingana manaraka. Ny finoana ny teny fikasany, ny fikarakarany, ny hevitra tsara mikasika ny fiainanao, ny fitiavany tsy misy fetra ho anao.

Misy teny fikasana momba anao… Mamaly soa izay mitady Azy Andriamanitra (Hebreo 11.6) Ny famaliana soa dia milaza hoe “mandoa ny karama” amin’ny teny grika !

Koa manasa anao aho hitady an’Andriamanitra anio ihany. Tiany ho hitanao Izy. (Jereo Jeremia 29.13)

Satria mino an’Andriamanitra aho ary mino izay lazainy koa, dia miantehitra amin’ny Teniny aho ary ambarako fa hamaly soa anao Izy ry namako. Ary vaovao tsara, ny harenany dia mihoatra lavitra noho ny antsika !

0aa5074f-signature-eric_06u01s06u01s000000

Maniry ny hanova ny fiainanao Andriamanitra

Mandraisa fampaherezana isan'andro!



*Ny fisoratanao anarana dia hanaikenao ny fepetra sy fifanajana ary ny fanambarana tsiambaratelo.

Fahagagana ny fisianao!