Ry namako, tsy mbola vita ny aminao !
Efa nahita ilay takela-by hoe “eo am-panamboarana” ve ianao teny amoron-dalana ?
Fantatrao ve fa ianao koa dia “eo am-panamboarana”. Nanomboka zavatra teo amin’ny fiainanao Andriamanitra ary mbola tsy tapitra izany.
Aza kivy ianao raha mbola tsy “tanteraka” araka ny ieritreretanao azy. Tsy misy olona tanteraka, ary fantatro tsara izany satria izaho koa aza tsy mbola toy izany. Manao fahadisoana aho. Lavo aho indraindray. Misy fotoana aho manahy. Ary indraindray aza avelako hanakivy ahy ny teny na filazana eo amin’ny tamban-jotra..
Fa kosa mifikitra amin’ny teny fikasana ao anaty Baiboly aho. Izany teny fikasana izany dia ho anao koa. Ary mba tsy hanadinoinao an’izany dia averiko aminao imbetsaka izany, amin’ny alalan’ny dikantenin’ny Baiboly samy hafa, ary soloy ny anaranao ny ao anatin’ity andinin-tsoratra masina ao amin’ny Filipiana 1.6 ity..
ary matoky indrindra aho fa Izay nanomboka asa tsara ao anatinareo no hahatanteraka izany mandra-pihavin’ny andron’i Jesosy Kristy;
Zavatra iray no azoko antoka ry namako : Andriamanitra izay nanomboka asa tsara ao anatinareo no hanohy izany hatramin’ny farany, mandrapaha-tongan’i Jesosy Kristy. (Parole de Vie.)
Ary tena matoky aho ry namako : izay nanomboka asa tsara ao anatinareo no hanohy izany hatramin’ny farany amin’ny andron’i Jesosy Kristy. (Semeur)
Izany no mahatonga ahy tena resy lahatra fa rehefa niasa tsara tao anatinareo Izy ry namako, dia hotanterahan’ny Tompo hatramin’ny farany ny asany. Matoky Azy aho : hampitombo izany Izy, hofenoiny, ary hataony tanteraka amin’ny andro fiverenan’i Jesosy Kristy. (Parole Vivante)
Ka resy lahatra ve ianao ? Tsy maintsy ho vita ny “fanamboarana” indray andro any. Ho alain’i Jesosy miaraka Aminy ianao. Mandrapiandry an’izay dia efa nanomboka asa tsara eo amin’ny fiainanao Izy, ary resy lahatra aho fa mbola fanombohana izao !