Ry namako, feno fampanantenana ny ho avy nomaniny ho anao.
Mahatsikaritra ve ianao fa matetika Andriamanitra dia mamela fahamainana eo amin’ny fiainantsika, mba hahafahany miresaka amintsika ? Ny Baiboly dia milaza : “Koa, indro, Izaho dia hitaona azy ka hitondra azy ho any an-efitra ary hanao teny malefaka hahafinaritra azy.” Hosea 2.16
Tamin’izaho nanao ny fiofanana miaramila no nianarako ny lanjan’ny vavaka sy ny fifandraisana amin’Andriamantra. Teo ampandohalihana tao am-piangonana no novangian’Andriamanitra aho. Niteny taminy aho hoe : “Raiso ny fiainako ! Ampiasao aho! Inty aho Jesosy.”
Nandritra izay taona niofanako izay, dia nanome ahy tolotra tena tsara ny raiko. Nasainy mamonjy azy any Toulouse aho rehefa vita ny fiofanako miaramila, ary nampanantena ahy izy fa homeny trano aho, scooter, fahazoan-dalana hitondra fiara, fiara, fianarana informatika, asa ao amin’ny orinasany, ary fahafahana afaka ho tonga lehiben’ny orinasa any aoriana any. Tena lafatra izany tolotra izany, ary nekeko izany na dia mbola tsy nitondra ambavaka izany akory aho !
Nikorontana ny tao anatiko, kanefa tsy navelako mihitsy Andriamanitra hanome ahy ny heviny. Niha-nitombo izany vesatra tao anatiko izany raha nandeha ny andro… Nanapa-kevitra aho ny farany ny hanontany an’Andriamanitra izay heviny mikasika ny tolotra nataon’ny raiko. Tahaka ny rano mangatsiaka nanondraka ahy ny valinteniny : “Tsy sitrapoko izany”.
Niady hevitra tamin’Andriamanitra nandritra ny andro vitsivitsy aho, ary tamin’ny alahelo lehibe no nilazako ny raiko fa tsy afaka ny hamonjy azy aho. Rehefa vita ny fiofanako, dia niverina tany Parisy aho, tsy an’asa, tsy nianatra koa, tsy nahalala izay tokony atao.. Indraindray aho nitaraina irery : “Raha mba niverina tany amin’ny dada aho izao, mba efa nanohy ny fianarako no sady nahazo vola.”
Matetika ny trangan-javatra izay tena sarotra eo amin’ny fiainantsika dia tetezana mitondra antsika ho amin’ny anjara voatendry. Raha nandà ny tolotry ny raiko hoe hipetraka any Toulouse aho, dia tsy nahatakatra fa izay no nahafahako nanompo an’Andriamanitra niaraka tamin’ny ekipan’i Billy Graham, ary nahazoako ihany koa ny antso ho amin’ny fitoriana ny filazantsara, sy nifanenako tamin’ny vadiko ary nahitako asa tsara. Tsy fantako koa fa handalo zava-tsarotra ny raiko ary nahatonga azy tsy maintsy niala tao Frantsa tamin’ny fomba aingana indrindra. Tsy takatro hoe ireny fampanantenana tsara be ireny dia rava toy ny trano vita amin’ny karatra fotsiny tsotra izao.
Iza no nahalala fa tsy hisy vola handoavana ny fianarako aho, no sady tsy hisy trano sy asa raha nandeha tany Toulouse ? Andriamanitra dia nahafantatra izay !
Ny fiadanany no tena ahanfatarana fa izay ny sitrapony. Andriamanitra irery no mahalala ny ho avy. Matokia Azy. Hiasa Izy ! Tsy maty antoka ianao raha mijoro, na dia mikorontana aza ny zavatra rehetra. Manana drafitra sy ho avy ho amin’ny fiainanao Andriamanitra !
Hetsika atao anio :
Feno fikasana, fitahiana, sy zavatra miavaka ny ho avy izay nomaniny ho anao Ry namako. Noho izany, mifandraisa ianao Aminy amin’ny alalan’ny vavaka sy ny Baiboly, aza manohitra intsony fa maneke Azy fotsiny.