Ry namako, iza no hahatohitra anao ?
Mety mandalo fotoan-tsarotra ianao izao, izay tahaka ny tsy misy lalana ivoahana intsony, toy ny :
- Fakitiora tsy voaloa
- Fotoana ela tsy nahitàna asa.
- Aretina izay manitsoka anao ara-batana sy ara-tsaina ary ara-bola.
- Fifandraisana amin’ny fianakaviana izay manavesatra sy mampalaelo anao nandritra ny fotoana maro.
- Fanendrikendrehana tsy nohamarinina…
Na eo aza ny tsy rariny izay manjo anao, dia nisafidy ny hihazona ny fitondrantena tsara ianao ary manao ny marina.
Dia te hanome toky anao aho fa ny fankasitrahan’Andriamanitra izay eo amin’ny fiainanao, no hanampy anao handresy ny fahasarotana rehetra.
Teny tokana avy amin’Andriamanitra no hampitsimbadika ny zava-misy eo aminao. “Raha Andriamanitra momba antsika, iza no hahatohitra antsika?” (Romana 8.31)
“Jehovah hiady ho anareo, fa ianareo kosa hangina.” (Eksodosy 14.14) Hiasa manokana ho anao Andriamanitra amin’io zavatra hatrehanao io. Tsy misy tsy hainy atao. Koa mahereza foana dia mitonia… Mifehy ny zavatra rehetra Andriamanitra.
Hanenika anao anie ny fankasitrahan’Andriamanitra.