Ry namako, ny faniriako lehibe indrindra dia ny hahita anao ho voatahy.

PEJY FANDRAISANA | Miracles | Ry namako, ny faniriako lehibe indrindra dia ny hahita anao ho voatahy.

Manasa anao aho hamaky ity fijoroana vavolombelona mahafinaritra ity, voaraiko ora vitsy lasa izay….

“Te hizara aminareo fahagagana niainanay aho taorian’ny fihaonana tamin’ny pasitera iray:

Voan’ny diabeta karazany 1 ny vadiko ary mitsindrona “insuline” in-telo isan’andro izy satria tsy miasa intsony ny sarakatiny.

Taorian’ilay fivoriana dia nandidy ny diabeta aho tamin’ny anaran’i Jesosy fa amin’ity andro izay tokony hanaovan’ny vadiko fitiliana ity dia tsy hisy soritra diabeta intsony ary hiverina hiasa ny sarakatiny.

Ary rehefa tany amin’ny dokotera izahay, hijery ny valin’ny fitiliana dia nilaza taminay izy fa miverina miasa soa aman-tsara ny sakaratin’ny vadiko. Voninahitra ho an’Andriamanitra!

Araka ny nambaran’Andriamanitra tamin’ny alalan’ilay pasitera namanao: izao no fotoana hanaovan’Andriamanitra fankasitrahana anao ho voninahitry ny Anarany”. – Ludo

Misaotra Ludo. Misaotra ny amin’ny fahasahianao amin’ny finoana. Ary voninahitra ho an’Andriamanitra ny amin’ny fahasitranan’ny vadinao!

Ry namako, izany no vavako isan’andro ho anao : mba hiasa ho anao anie Andriamanitra, ho voninahitry ny Anarany!

Na inona na inona zavatra ilainao, atambatro amin’ny finoanao ny finoako mba hitahy anao anie Andriamanitra, hitsidika anao Izy, hampahery anao, hanasitrana anao, hanandratra anao, hameno anao, hanambina anao amin’ny lafiny rehetra araka ny 3 Jaona 1:2… amin’ny anaran’i Jesosy Kristy.

0aa5074f-signature-eric_06u01s06u01s000000

Maniry ny hanova ny fiainanao Andriamanitra

Mandraisa fampaherezana isan'andro!



*Ny fisoratanao anarana dia hanaikenao ny fepetra sy fifanajana ary ny fanambarana tsiambaratelo.

Fahagagana ny fisianao!