Ry namako, hanitatra ny fetranao Andriamanitra !

PEJY FANDRAISANA | Miracles | Ry namako, hanitatra ny fetranao Andriamanitra !

Jabeza dia nangataka tamin’Andriamanitra mba hampalalaka ny fari-taniny. I Tantara 4:10

Ny dika-teny hafa dia milaza :

“Halebiazo ny fari-taniko” (Semeur)
“Halalao ny taniko” (Parole de Vie)
“Hampitomboy ny fananako” (Français Courant)

Manana ny fetrantsika avy isika. Mety ho ara-batana izany, na fihetseham-po, na ara-pahaizana, ara-bola, ara-tsosialy, sns…

Fa ity misy vaovao mahafaly : Andriamanitra dia afaka manitatra ny fetranao. Afaka manome anao hery vaovao Izy, mamerina amin’ny laoniny ny fihetseham-ponao, ny fifandraisanao, manasitrana ny ratranao, manome anao fahaizana, manome anao fitahiana ara-bola sy ara-pitaovana, sns..

Mahakasika ahy manokana ity andininy ity. Miresaka ilay vehivavy momba, ary izao no nolazain’Andriamanitra azy :

“Halalaho ny ny itoeran’ny lainao, Ary aoka hohenjanina ny ambain-dainao, ka aza avela hisy hiketrona ; Halavao ny kofehinao, Ary aoreno mafy ny tsiman-dainao ; Fa hitatra ho any amin’ny ankavanana sy any amin’ny ankavia hianao ; Ary ny taranakao hahazo ny jentilisa, Ka dia hasiany mponina ny tanàna lao. Aza matahotra, fa tsy ho menatra hianao ; Ary aza mangaihay, fa tsy havela ho afa-baraka hianao, Fa ho hadinonao ny henatry ny fahatanoranao, ary tsy ho tsarovana intsony ny tondromasonao fony mpitondratena.” Isaia 54.2-4

Miresaka fanitarana Andriamanitra. Jabeza dia nangataka tamin’Andriamanitra mba hampahalalaka ny fari-taniny. Ary raha mangataka amin’Andriamanitra toy izany koa ianao anio ?

Mino amin’ny foko rehetra aho fa tian’Andriamanitra hiaina fiainana sambatra sy mahafapo ianao, izay mihoatra lavitra io fetranao io.

0aa5074f-signature-eric_06u01s06u01s000000

Maniry ny hanova ny fiainanao Andriamanitra

Mandraisa fampaherezana isan'andro!



*Ny fisoratanao anarana dia hanaikenao ny fepetra sy fifanajana ary ny fanambarana tsiambaratelo.

Fahagagana ny fisianao!