Ry namako, tsy misy tsy hain’Andriamanitra atao!

PEJY FANDRAISANA | Miracles | Ry namako, tsy misy tsy hain’Andriamanitra atao!

Niantso an’Andriamanitry ny Israely i Jabeza. Fantany fa tsy misy tsy hain’Andriamanitra. Nino izy fa afaka manova ny toe-javatra hiainany Andriamanitra.

“Ary Jabeza niantso an’Andriamanitry ny Isiraely hoe: Enga anie ka hotahinao tokoa aho, ka hohalalahinao ny fari-taniko, ary ho amiko ny tànanao, ka harovanao amin’ny ratsy aho, mba tsy hampahory ahy izany. Ary dia nomen’Andriamanitra azy ny nangatahiny” (I Tantara 4:10)

Nanova ny fomba fijeriny ny amin’ny izay tsy fahafahany manokana i Jabeza. Hoy izy anakampo: raha tsy maintsy hisy fiovana eo amin’ny fiainako, raha tsy maintsy hihoatra izao fijaliana sy fahasahiranana eo amin’ny fiainako izao aho dia tsy maintsy miantso an’Andriamanitra satria tsy misy tsy hainy hatao.

Izany indrindra no nataony, tamin’ny fony manontolo ary tam-pinoana. Manasa anao aho hanao toy izany koa amin’ity andro anio ity ry namako. Azonao atao koa ny manova ny fandehan-javatra. Aza miandry fanampiana avy amin’iza na iza, na amin’ny olona fantatrao izany na ny fitondram-panjakana… tsia, afaka miantso an’Andriamanitra ianao satria tsy misy tsy hainy atao ary mamaly an’ireo izay miantso Azy Izy. (Jeremia 33:3)

Ho aminao anie ny fitahian’ ny Tompo.

0aa5074f-signature-eric_06u01s06u01s000000

Maniry ny hanova ny fiainanao Andriamanitra

Mandraisa fampaherezana isan'andro!



*Ny fisoratanao anarana dia hanaikenao ny fepetra sy fifanajana ary ny fanambarana tsiambaratelo.

Fahagagana ny fisianao!