Ry namako, hanao zava-baovao Andriamanitra.
Nandefasan’ny namako andinin-tsoratra masina aho izay tena nahakasika ahy. Namboariko izany mba ho anao manokana androany.
Hoy Andriamanitra ao amin’ny Teniny : “Aza mahatsiaro ny lasa, na misaina ny taloha. Indro, Izaho efa hanao zava-baovao, koa ankehitriny dia efa miposaka izany tsy hahalala izany va ianareo? eny, any an-efitra no hanaovako lalana ary any amin’ny tany lao no hasiako ony;” Isaia 43.18-19
Ry namako, aza mahatsiaro intsony ny lasa, ary aza misaina ny taloha! Alaim-panahy isika indraindray hisaintsaina ny lasa sy hihidy ao anatin’izany. Miteraka fangidiana, fanenenana sy lolompo ao anatintsika izany izay mety hanakana antsika amin’ny fiarahana amin’ny Tompo. Anio, misafidiana ny handroso indray…
Ry namako, hanao zava-baovao Andriamanitra izay efa ho tonga! Mety efa niandry valim-bavaka iray ianao na maromaro… Miresaka aminao manokana indray Andriamanitra anio. Hainy ny mamerina ny fahasalamanao, ny herinao, ny fahaiza-manaonao, ny fifandraisanao, ny ara-bolanao… eny, ary efa ho tonga izany ry namako!
Ry namako, hanao lalana any an’efitra Andriamanitra ary hanisy ony any amin’ny tany lao. Mahatsiaro ho irery sy nafoy ve anao ? Mety efa nahatsiaro ho irery ianao teo am-povoan’ny olona marobe…satria tsy ampy fitiavana, sy fahatokisan-tena… noho ny fahatahorana na tsy fahazahoana aina… Eo amin’io tany efitra izay andalovanao io dia tsy irery ianao. Eo anilanao Andriamanitra. Mihoatra noho izany aza!!! Hanao lalana Izy mba hivoahanao ao sy hamorona ony izay hanala anao ao amin’ny fahatsiarovana tena ho irery mandrakizay!!!
Amen! Mino izany amin’ny foko rehetra aho. Manantena ny hetsik’Andriamanitra sy ny fahagagany eo amin’ny fiainanao aho.