Ry namako, mandrosoa foana…
Hoy Martin Luther King Jr : “raha tsy afaka manidina ianao, mihazàkazaha. Raha tsy afaka mihazakazaka, mandehana. Raha tsy afaka mamindra, mandadiza, fa na inona na inona ataonao, mandrosoa foana.
Eo amin’ny fiainantsika dia misy fotoana indraindray mafy kokoa noho ny fotoana hafa. Mety miatrika fanilian’ny fianakaviana ianao, ny namana, ny fiasana… Mety misy olona akaiky nandao anao… Mety manana hofantrano maromaro na saram-pianaran’ny ankizy tsy voaloa ianao… Fa ao anatin’izany mandrosoa foana.
Mampahery antsika toy izao ny Baiboly : “Mijery an’i Jesosy Tompon’ny finoantsika sady Mpanefa azy.” Hebreo 12 : 2
Ry Namako, hitondra anao any amin’ny tanjona Izy.
Mino an’izany aho ! Aza mamotsitra rehefa miaraka amin’i Jesosy. Omeo azy ny tananao, hanangana anao Izy ary hitondra anao amin’ny sandriny mahery.
Mahereza ry namako..