Ry namako, afaka miteny amin’io tendrombohitra io ianao.
Efa fantatrao fa 20/20 ny naoty tsara indrindra fa androany hasehoako anao ny 21/21 ny valisoa tsara indrindra. Ao amin’ny Matio 21.21 no ahitanao an’izany arymanasa anao aho hamaky izany.
Ary Jesosy namaly ka nanao taminy hoe : Lazaiko aminareo marina tokoa : Raha manam-pinoana hianareo ka tsy miahanahana, dia tsy izao natao tamin’ny aviavy izao ihany no ho vitanareo, fa na hiteny amin’ity tendrombohitra ity aza hianareo ka hanao hoe : Mifindrà ianao, ka mianjerà any an-dranomasina, dia ho tonga izany. Ary na inona na inona no angatahinareo amin’ny fivavahana atao amin’ny finoana dia ho azonareo.
Mitenena amin’io tendrombohitra io, teneno izy hikisaka any an-dranomasina ! io tendrombohitra trosa io, ny fahangidiana, fihenjanana sy fahasorenana… didio izany rehetra izany hikisaka any an-dranomasina ary ho tanteraka izany. Ampiasao ny fahefanao ara-panahy fa aza manaiky resy izany, manoatra noho ny mpandresy ianao amin’ny alalan’Ilay Mpampahery anao.