Ry namako, afaka miaina zavatra miavaka ianao androany.

PEJY FANDRAISANA | Miracles | Ry namako, afaka miaina zavatra miavaka ianao androany.

Manahoana ianao ry Namako,

Ity misy fanambarana nataon’ny Pasitera Patrice Martorano, rahalahiko sady namako. Nahatsiaro anao aho teo ampamakiana azy.

“Afaka miaina zavatra tena miavaka ianao androany. Te-hampitolagaga anao Andriamanitra. Afaka manova tanteraka ny andronao ho mahatalanjona Izy, minoa an’izany.”

“Ity no andro nataon’i Jehovah : Hifaly sy hiravoravo amin’izao isika !” (Salamo 118:24)

Misafidiana hino an’Andriamanitra. Aza manaiky ho resin’io trangan-javatra izay toa tsy mihetsika io, ny fahasahiranana tsy misy farany, ny fahantrana izay manatrotraka anao, ireo asa an-tselika izay hanampianao ny volanao, ireo fakitiora izay mbola tsy voaloanao…

Anio dia afaka hiaina zavatra miavaka ianao ry namako. Te hanao izany Andriamanitra ho anao. Mihevitra ve ianao fa ity andro ity no hanosika anao any amin’ny anjara voatendry ho anao ? Inoy izany ary miverena aminay miaraka amin’ny fijoroana vavolombelona.

Hiaina tontolo andro sambatra anie ianao !

0aa5074f-signature-eric_06u01s06u01s000000

Maniry ny hanova ny fiainanao Andriamanitra

Mandraisa fampaherezana isan'andro!



*Ny fisoratanao anarana dia hanaikenao ny fepetra sy fifanajana ary ny fanambarana tsiambaratelo.

Fahagagana ny fisianao!