Inona no lova hapetrakao Ry namako ?

PEJY FANDRAISANA | Miracles | Inona no lova hapetrakao Ry namako ?

Efa nametra-panontaniana ny tenanao ve ianao hoe : “Inona no zavatra hajanoko ao aorinako…? Inona no lova homeko ny zanako, ny manodidina ahy…?”
Tian’Andriamanitra rehefa mitandrina tsara ny fomba fiainany ny zanany, ary nanomana fikarakarana manokana azy ireo Izy, izay hamafisin’ity ohabolana ity : “Izay olona marina mandeha amin’ny fahitsiany Sambatra ny zanany mandimby azy….!“(Vakio Ohabolana 20.7.)
Andriamanitra dia tena mandinika ny ataon’ny olona rehetra, ary omem-boninahitra Izy rehefa mitondra tena araka ny Teniny isika, mandeha amin’ny fahamarinana…!
Lova mahavariana, angamba hoy ianao…! Fananana, zavatra, entana, lova sarobidy… angamba no noeritreretinao ? Kanefa, ny tsara indrindra izay afaka avelanao dia ny ho tonga ohatra amin’ny fahamarinana. Tsy ho modely ho an’ny zanakao fotsiny ianao, na ho an’ny fianakavianao, fa mbola hampahiratra izany toetra mendri-kaja izany izy ireo. Minoa ahy ianao…!
Ny fahamarinana na ny tsy fivadihana dia tsy dia misy lanjany firy intsony ankehitriny. Ny fangalarana ,ny fanambakana, ny fanaovana hosoka, ny famadihana, ny famitahana — na dia kely fotsiny aza na indraindray — dia efa lasa fahazarana ary efa fanao izay matetika tsy misy fisalasalana na fieritreretana akory… Indrisy, na dia ireo izay milaza ho kristianina aza…
– Nametraka fitsipika manokana ho anao ve ianao mba ho marina araka izay azo atao amin’ny hafa ?
– Hanaiky handray fanomezana ve ianao ho takalon’ny fahanginanao amin’ny raharaha mampiahiahy iray…?
– Na dia eo aza ny fironana, nanapakevitra ve ianao ny tsy mba ho lavo na amin’inona na inona, mba ho marina hatrany na aiza na aiza ary amin’ny olona rehetra …?
Marina ny anao, ry namako, satria ny tsy fivadihanao dia misy vidiny lehibe eo anatrehan’Andriamanitra… ! Fampanantenana sy valisoa no manaraka izany. Eny, ny tsara ataonao anio dia mbola misy lanjany rehefa tsy eo intsony ianao : ny zanakao sy ny akaiky anao dia handray ny tombotsoa avy amin’izany…!
– Ho sambatra izy ireo
– Hitoetra am-piadanana izy ireo,
– Tsy ho orin-java-tsoa izy ireo…
Ny fahatsoranao sy ny fahamarinanao dia tsy fitahiana ho an’ny manodidina anao fotsiny, fa manome voninahitra an’Andriamanitra koa eo amin’izy ireo.
Eny, tsy mivadika isika, na ahoana na ahoana…!

0aa5074f-signature-eric_06u01s06u01s000000

Maniry ny hanova ny fiainanao Andriamanitra

Mandraisa fampaherezana isan'andro!



*Ny fisoratanao anarana dia hanaikenao ny fepetra sy fifanajana ary ny fanambarana tsiambaratelo.

Fahagagana ny fisianao!