Anisan’ny tenan’i Kristy ianao !
Efa nahita ny horonantsary “Gladiator” angamba ianao… Tadidinao ve ny teny filamatry ny jeneraly Maximus izay milaza hoe : “Raha mijanona miaraka isika, dia ho tafavoaka velona”..? Ny tafika romana dia nampiasa paik’ady mahery vaika mba hanjakana : mamorona fisarasarahana mba hanjakana misimisy kokoa. Hain’i Jesosy tsara izany fomba fiady izany, izay nalainy ohatra…:
“Ary Jesosy nahalala ny eritreriny, dia nanao taminy hoe: Ho foana ny fanjakana rehetra izay miady an-trano; ary tsy haharitra ny tanàna rehetra, na ny trano, izay miady an-trano. ” (Vakio Matio 12.25.)
Rehefa misy mpikambana iray na maromaro ohatra marary na namadika, dia ny vatana iray manontolo no lasa mihamalemy. Anatin’ny trano velona isika : ny Fiangonana. Trano izay Andriamanitra no nanamboatra azy, ary arafiny amin’ny fahatsarana…!
Ry namako, mila anao ny Fiangonana…! Nomen’Andriamanitra anao ny heriny sy ny toetrany ; nomeny fanomezam-pahasoavana sy talenta koa ianao. Rehefa manoka-tena ho azy ianao, dia handray soa avy amin’izany fanoloran-tenanao izany ny manodidina anao, manomboka amin’ny fiangonana eo an-toerana, ary any ivelan’ny rindrina.
Tiako ianao raha mba haka fotoana kely anio hieritreretena hoe ahoana marina ny fiainanao : “Manana fiantraikany eo amin’izao tontolo izao ve ny fiainako…? Inona ny mahasakana ahy amin’izany ary ahoana ny fomba hitondrako ny anjara brikiko amin’ny trano..? Manontania an’Andriamanitra mba hasehony anao ny toerana izay tokony hisy anao ao anatin’ny vatana izay natsangany tamin’ny fitiavana sy faharetana.
Manasa anao aho, manomboka anio :
– Atolory an’Andriamanitra ny tenanao tahaka ny “fanatitra velona”,
– Apetraho Aminy ny ataonao rehetra isan’andro tahaka ny asa fanandratana Azy,
– Ataovy faniriana ny haneho an’i Kristy amin-kery misimisy kokoa.
Tianao ve ny hanokana ny fiainanao manontolo ho Azy : ny asa, ny fianakaviana, ny ara-bola, ny fialambolinao…? Te hidera an’Andriamanitra ve ianao amin’ny andronao rehetra, fa tsy ny alahady maraina fotsiny ihany, Ry namako …?
Mila anao Andriamanitra mba hisolo tena Azy eto an-tany…!