Jesosy: tsy misy mampihemotra Azy!
Vao haingana, nisy mpamaky ny Fahagagana isan’andro naneho ny fahasorenany tamiko manoloan’ny fihetsiky ny olona manodidina azy : “’Miantehitra amin’ny Tompo aho amin’izay rehetra ataoko ary ambarako mafy izany. Kanefa rehefa tsy mahomby aho dia manontany ahy ny olona : Fa aiza Jesosy?”. Ny tsy fahombiazako dia tsy manova ny finoako satria fantatro sy azoko antoka fa ny sitrapony dia izay tsara indrindra ho ahy. Ny olona anefa dia mifototra amin’ny fahitan’izy ireo, somary sahirana aho manazava ny sitrapon’Andriamanitra.
Araraotiko ity fijoroana vavolombelona tsotra ity hiverenako amin’ny toetra mampiavaka an’i Jesosy:
Ny fahavononany. Izy koa dia nanontany ny Rainy : “Aiza ianao…?” nijaly ho maritiora, nombohana teo amin’ny hazo fijaliana :
“Andriamanitro ô, Andriamanitro ô, nahoana no dia mahafoy Ahy Hianao….?” (Matio 27.45-46)
Raha ny fijery dia toa nanadino Azy Andriamanitra , ary Jesosy ihany koa tsy nahavita ny iraka amin’ny maha Mpamonjy ny olombelona Azy. Fahatsapana izay noresahin’ny ireo mpianatra teny an-dàlana ho any Emaosy. (Lioka 24.13-21) Maty ilay Mpamonjy ,tonga hanafaka nny vahoaka Jiosy amin’ny fangejan’ny Romana .
Ianao koa ve mieritreritra tahaka ity namana mpamaky ity fa :
- Andriamanitra dia tsy eo mandrakariva amin’ny fotoana tena ilainao Azy?
- Mamela anao hianjera ve Izy indraindray…?
- Efa niainanao ve toe javatra tsy nahomby ?
- Ary tamin’ity dia : … “fahafatesana”…?
Tena fahatsapana mitombona tokoa, minoa ahy…! ilay zanak’Andriamanitra tenany mihitsy no niaina ny fandaozan’ny Rainy. Nefa, nifanaraka tsara tamin’ny drafitr’ Andriamanitra Izy. Fantany tsara ireo dingana ho an’ny iraka nanirahina Azy. Nampiseho Jesosy fa vonona mba ahatanteraka ny sitrapony….! Fantatrao ny fiafaran’ny tantara , ary tsara fiafara izany : Nitsangana Jesosy…!
Raha anio toa tsy misy azonao, tahaka ny nafoin’Andriamanitra ianao, mampahery anao aho hihaotra izany fahatsapana diso izany, mety ho nambaran’ny namanao ny amin’ny fomba hitondran’Andriamanitra anao.
Eny, mampahery anao aho hijery mihoatra ny fahitana amin’ny mason’ny finoana fa Andriamanitra dia tena eo tokoa. Velona Izy ary mbola tsy nilaza ny teniny farany amin’ny toe javatra misy anao.
Tahaka an’i Jesosy , aoka ianao ho “Hatramin’ny farany’’. Ny zava dehibe dia ny fanajana ny fanoloran-tenanao Aminy. Na dia toa miharatsy ny zava drehetra, ary ny haizina no toa manarona ny fiainanao tahaka ny aretina, olana ara -bola, olana ara-pifandraisana… Ma-ha-re-ta! Tsy maintsy hisitraka izay nafafinao ianao. Na eto an-tany na any an-danitra.
Mampahery anao aho handeha hatramin’ny farany miaraka amin’i Jesosy.