Ry namako, tsy amin’ny zavatra hafa, fa amin’ny fanahiny ihany
Manantena aho fa salama tsara ianao eo am-pandraisana ity hafatra ity anio. Izany no vavaka ataoko ho anao ry Namako.
Miatrika ady mafy isika indraindray eo amin’ny fiainantsika…
Fahafatesana, tsy fananana asa, fifandirana mitondra alahelo amin’olona akaiky anao, fisolokiana, fahantrana,…
Fa mbola te hampahery anao ny Tompo androany ry Malagasy namako. Hoy Izy aminao anio…
“Tsy amin-kery na amim-pahatanjahana, fa amin’ny Fanahiko, hoy Jehovah, Tompon’ny maro.” (Zakaria 4.6)
Amin’ny maha-olombelona, toa tsy zaka ny fizahan-toetra, nefa tsy irery ianao. Amin’ny Fanahiny, ho tafavoaka ianao ! Amin’ny Fanahiny, hihoaranao io !
Amin’ny herin’Andriamanitra no handrosoanao androany, ary amin’ny herin’ny Fanahiny Masina ao anatinao ! Eny amin’ny Fanahiny, na ny tendrombohitra avo indrindra aza mietry, ny lohasaha maizina indrindra tsy maintsy mazava !
Mino an’izany aho ary tononiko eo amin’ny fiainanao izany androany, ry Namako.
Miray fo aminao aho !
Tahiana manokana ianao !