Eo foana andriamanitra amin’ny fotoana rehetra
“Andriamanitra dia eo foana na andro na alina.”
Androany, te hizara ny fijoroana vavolombelon’i Gilou aho, izay nanoratra hoe…
“Manome fahatokiana ahy ny hafatrao rehefa manafika ny fahavalo: amin’ny ara-pihetsem-po, arak’asa, ara-pianakaviana… Ny Fahagagana Isan’Andro dia valiny mazava ny amin’ny vavako isa-maraina.”
Mino aho fa zava-dehibe ny manana fahazarana isa-maraina izay ahitana vavaka sy famakiana ny tenin’Andriamanitra. Ny miresaka sy mihaino an’Andriamanitra dia antony iray hananana fifandraisana mafy orina sy lalina Aminy. Saingy tsy natao ho amin’ny maraina iray ihany…
Hoy i Gilou avy eo hoe: “Miresaka sy mampahafantatra ahy ny Tompo fa raha manary ahy ny olon-drehetra, Izy dia mahatoky hatrany. Afaka miankin-doha Aminy foana aho satria Izy dia eo foana ho ahy, 24 ora amin’ny 24.”
Tena marina izany, Andriamanitra dia eo foana amin’ny fotoana rehetra. Tsy matory Izy na rendrehana (vakio ny Salamo 121.4). Na oviana na oviana dia tsy miala aminao ny masony. Fantany ianao na rehefa mandry na mitsangana (vakio ny Salamo 139.2-5). Mpamonjy mora azo amin’ny fahoriana Izy (vakio ny Salamo 46.2).
Hitanao ry namako, Andriamanitra dia eo amin’ny fotoana rehetra amin’ny alalan’ny vavaka. 7 andro amin’ny 7 sy 24 ora amin’ny 24 ! Ny vavaka no mitondra mivantana any amin’Andriamanitra. Te hitaona anao aho hiombona amiko anatin’ny vavaka ho fisaorana an’Andriamanitra: “Tompo ô, misaotra ny amin’ny maha-eo anao amin’ny fotoana rehetra. Misaotra satria miahy ny amiko Ianao ary misaotra ny amin’izay iainako sy izay lalovako amin’izao fotoana. Mahatoky tokoa ianao. Ianao Ilay Andriamanitro, tiako Ianao. Amen.”